airtel

Politique

07-déc-2021

Politique

Raharaha Mbola Rajaonah Nisy vavolombelona tsy hita, nahemotra ny fitsarana

Sample post image

Niakatra fitsarana tetsy amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) 67 ha omaly 06 desambra i Mbola Rajaonah, mpandraharaha nanana ny maha izy azy,

07-déc-2021

 olona akaiky ny Fanjakana HVM tamin’ny fotoanan’androny, mpanolon-tsain’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, niara-dia sy nanohana an’I Marc Ravalomanana tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena 2018. Vesatra momba ny raharaha firaisana tsikombakomba tamina fanodinkodinana volam-panjakana no niakarany teny amin’ny PAC omaly. Nahemotra amin’ny fotoana manaraka tsy mbola voafaritra indray anefa ny fitsarana satria voalaza fa tsy tonga ny vavolombelona tena manan-danja na “témoins-clés” tokony hohenoina amin’ny raharaha mahasaringotra azy. Naverina any Tsiafahy noho izany i Mbola Rajaonah, izay marihina. Tsiahivina fa ny 13 febroary no nosamborina i Mbola Rajaonah, tsy ampy iray volana monja taorian’ny fiainianan’ny Filoha Andry Rajoelina. Efa nisy fotoana notsaraina tamina raharaha taratasim-bola tsy nisy anto-bola na “chéque sans provision” i Mbola Rajaonah saingy afaka noho ny fisalasalana, saingy naverina tany am-ponja noho ny raharaha hafa hanenjehana azy. Ny volana martsa 2020, nilaza ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika tamin’izany fotoana Rtoa Rinah Rakotomanga fa manodidina ny 1100 miliara Ar ny vola ananan’ny Fanjakana amin’i Mbola Rajaonah. Nambara fa hetra tsy voaloa teo anelanelan’ny 2014-2018 moa io. Nambara tamin’izany fa 35 ny dosie na fitanana an-tsoratra momba ny fandikan-dalàna nataony. Sarotra ny ahafahan’i Mbola Rajaonah raha mbola amin’izao fitondran’I Andry Rajoelina izao. Tsy takona hafenina ny fifangaroan’ny raharaha amin’ny fanenjehana ara-politika na eo aza ny mety ho fisiana heloka ara-toekarena. Olona akaiky ny Fanjakana HVM i Mbola Rajaonah, mpanolontsain’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina,… Nanohana mivantana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny alalan’ireo haino aman-jeriny, ary mety teo ihany koa ny ara-bola,… izany hoe : nifaninana tamin’i Andry Rajoelina ary atahorana mbola hampiasa ny volany amin’ny politika, ka izay no isan’ny antony mampilentika azy any ankoatra ny raharaha hafa. Na nisy fotoana aza voalaza fa narary mafy tao am-ponja, saingy tsy nahazo fahafahana vonjimaika,… Voalaza moa fa hatao izay haha banky rompitra tanteraka i Mbola Rajaonah.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap