airtel

Politique

06-déc-2021

Politique

Raharaha ny “Apollo 21” Olona 13 nalefa teny Antanimora omaly

Sample post image

Hiakatra fitsarana anio 6 desambra ny raharaha “Apollo 21”, izay voalaza fa fikasana hifofo ny ain’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy olom-panjakana ambony.

06-déc-2021

 Raha hiverenana ny tantara, dia ny 20 jolay no nahasamborana ireo olona sasany voalaza fa niketrika izany, araka ny fanambaran’ny Procureure Génèrale, Razafiarivony Berthine ny 21 jolay 2021. Isan’ireo nosamborina voalohany I Paul Rafanoharana sy Philippe Marc François samy manamboninahitra Frantsay teo aloha efa misotro ronono. Nogiazana ny vola 900 tapitrisa Ariary sy ny fitaovam-piadiana tratra nandritra ny fisavana sy ny fiara miisa 2,... Raha ny tatitra nataon’ny Procureure Génèrale ny 01 aogositra moa, dia miisa 21 no voasambotra ka miaramila sy zandary amperin'asa ny 12, ahitana Jeneraly 5, Kapiteny 2, Manamboninahitra lefitra 5. Misy miaramila sy zandary teratany vahiny sy Malagasy efa misotro ronono 4, ary koa sivily 5, hoy ny fanazavana tamin’izany. Nambara fa mbola atao famotorana sy andrimaso ny 14 amin'izy ireo ankehitriny. Omaly 05 desambra 2021 kosa, re fa naterina teny amin’ny Fonjan’Antanimora ny olona 13 ahitana jeneraly avy amin’ny miaramila sy zandary voatonona tamin'io raharaha Apollo 21 io. Nandeha ihany koa ny resaka omaly fa isan’ireo nalefa eny Antanimora ny Mpanakanto Sareraka izay isan’ny voatonontonona tany am-piandohana. Noho fitsarana anio 06 desambra no voalaza fa namoahana ny fakana sy fitazonana ireo olona na “Ordonnance de prise de corps” izay efa fanao satria sao sanatria misy mitsoaka. Samy miandry izay ho tohiny noho izany ny rehetra. Tamin’ny fanadihadiana tany am-boalohany, dia tafaporitsaka na niniana naporitsaka ny fanadihadiana misy ny feon’I Sareraka, ka nilazany fa ny resaka fitrandrahana solika any Tsimiroro no mahatonga ny ady satria misy ny bizina maloton’ny tandapa, borizano,… Nambarany fa 20% ny an’ny Fanjakana tamin’ny Fitondrana teo aloha teo aloha... Taty aoriana, tratran’i Sareraka fa 50% ilay izy ary eo izany dia tratra daholo ny mpibizina tandapa rehetra. Iza no nihinana io 20% io rehefa niala ny teo aloha? Anjarantsika no mahalala azy. Iza no no mbola te hihinana an’io? Ampidiro any am-ponja I Sareraka fa Sareraka no mahalala an’io sy mitabataba an’io amin’ny namany”, hoy ity mpanakanto akaiky ny Filoha ity tamin’izany. Asa hoe : inona marina ny tena marina satria ny Filoha nanitrikitrika fa misy mpanao politika ambony tafiditra saingy tsy tena mbola nisy voasambotra izany ? Hanao ahoana ny tohiny ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap