airtel

Politique

01-mars-2022

Politique

Raharaha Ukraine - Russie Mangina ny mpitondra sy ny politisianina

Sample post image

Samy mangina na ny mpitondra na ny mpanao politika malagasy manoloana ny ady any Ukraine. Mitandrina mafy satria tsy teo ho ratsy eo amin’ny andaniny sy ny ankilany dia ny Rosanina

01-mars-2022

 izay manao ny fanafihana sy ny Tandrefana miaraka amin’I Etazonia ary ireo mpiara-dia aminy momba an’I Ukraine. Ankoatra io, efa nahoraka be fa nisy nahazo vola avy any Russie tamin’ny propagandin’ny fifidianana filoha farany teo, Russie hanampy amin’ny fahazoana ny nosy manodidina,… Voasokajy ho firenena iasan’ny sampam-pitsikolovana ara-tafika miaro ny tombotsoa ivelan’ny Rosianina na “Wagner” ihany koa anefa I Madagasikara. Atsy ankilany, taorian’ny Masoivohon’I Allemagne, nihaona tamin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Patrick Rajoelina ary nanao fanambarana miantso an’I Madagasikara hanameloka ampahibemaso an’i Russie tahaka ny nataon’ny firenena afrikanina sasany toa an’i Gabon, Kenya, Ghana,… ireo diplaomaty ireo ireo masoivoho Firenena Tandrefana sy ny mpiara-dia aminy miasa sy monina eto Madagasika omaly 28 febroary 2022. Nahitana ny solontenan’I Allemagne, France, Royaume-Uni, Norvège, Suisse, Korea, Japon, miaraka amin’I Etazonia sy ny Vondrona Eoropeanina. Notsipihina fa loza mandindona ny Vondrona iraisam-pirenena manontolo, hiantraika amin’ny firenena maneran-tany ny fanafihana sy herisetran’ny Rosianina. Tsikaritra ny tsindrin’ny tandrefana. Amin’ny lafiny jeopolitika sy toekarena, miankinan-doha amin’ny tandrefana sy ny mpiara-dia aminy, ny vola hampiodinana ny firenena sy Fanjakana eto aza, saika mbola hangatahina sy trosaina aminy ny 80%. Miankin-doha amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) eo ambany fitarihan’ireo. Sarotra ihany koa anefa ny handeha hanameloka mivantana ny Rosianina satria ilaintsika ihany koa ny miara-miasa aminy. Tsy i Russie irery ihany koa no resaka eto, fa maro ireo firenena mety mpiara-miombon’antoka amintsika ao an-damosiny, raha tsy hilaza afatsy i Chine, izay tsy nandray anjara tamin’io ny masoivohony.Tsara ny misafidy ny tsy hiandany na « Pays non-aligné », fa ny manomana ny mety ho fiantraikan’ny ady aty amintsika no mety kokoa. Izay ve no hiseho sa zavatra hafa ?

Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap