airtel

Politique

09-juin-2021

Politique

Raharaha vola 2 baoritra 6 taona lasa izay ny savorovoro teny Namontana

Sample post image

Niverina nalaza indray tato ho ato ny raharaha vola 2 baoritra nitranga ny alin’ny 8 jona 2015.

09-juin-2021

 

 

 Raha tsiahivina dia iny alina iny, tokony tamin’ny 8 ora sasany, no voasakan’ny mpitandro filaminana avy amin’ny borigady misahana ny heloka bevava teo Namontana ny fiara nentin’ny depiote Lanto Rakotomanga. Tratra tao anatin’izany ny lelavola mitentina 200 tapitrisa ariary tanatina baoritra miisa 2, izay nampametra-panontaniana ny maro hoe ho atao inona? Nifanena tamin’ny fahatsiarovana ity daty ity ihany koa ny fanehoan-kevitr’ity depiote voalaza teo ity mikasika ny fahitany ny fitondrana ankehitriny niparitaka tao anaty tambazotran-tserasera izay niteraka fanehoan-kevitra maro tokoa. Isan’ny fehezanteny nanaitra ny maro ny filazan’ity solombavambahoaka ity fa “aleo ho jamba sy harenina ireo milaza fa tsy voafehintsika ny fitantanana ny aretina satria iarahantsika mahita maneran-tany fa ao anatin’ireo firenena miisa 5 nahafehy izany aretina izany ny firenena Malagasy…”. Maimaim-poana avokoa, hoy ity depiote ity, ny fitsaboana ny Covid 19 manerana ny nosy. Toy izany koa ny fanampian-drivotra na “oxygène”. “2 taona sy tapany ny filoham-pirenena no teo fa mbola tsy nisondrotra ny lasantsy. Ny ariary eo misondrotra kely… maneran-tany ny fidinan’ny toekarena…”. Maro ireo tsikeran’ny mpanara-baovao nanoloana ity fanehoan-kevitra niparitaka ity toy ny hoe “efa tetikasa tamin-dRajao ireny tokanana ireny”, “ahoana ny momba ilay vola 2 baoritra?”, “volam-panjakana ihany no nolaniana nanafarana vakisiny sy ny mombamomba ny Covid ka nahoana moa no tsy ho tokony maimaimpoana?”. Fifandrifian-javatra ve sa tena iny fanehoan-kevitra iny no nahatonga azy fa dia niparitaka indray aloha ny horonantsary naneho ny tranga izay feno 6 taona omaly ?

J. Mirija

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap