airtel

Politique

30-juil-2021

Politique

Raharaham-pirenena Mikorontana ambony ambany

Sample post image

Inoana fa manomboka eto dia tsy hisy ho sahy hilaza intsony na ny avy amin’ny hery mpanohitra ny fitondrana na ny avy amin’ny hery manohana azy fa mbola iray tsy mivaky na ny andaniny na ny ankilany.

30-juil-2021

 Samy hita miharihary izao fa samy misy vivakisany avy, fara fahakeliny miisa 2 avy. Ny avy atsy amin’ny hery fanoherana moa nolazaina teo aloha teo fa miombona ao anatin’ny antsoina hoe Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM ary vao nohamafisin’ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Tiako I Madagasikara vao haingana izany saingy niaraha-nahita vao omaly ny fisian’ny atao hoe “Miara-manonja ofisialy” sy ny “Miara-manonja tarihin’ireo depiote miisa 2 dia I Fidel Razara Pierre sy Hanitra Razafimanantsoa”. Nisy nilaza azy ho tena RMDM na TRMDM koa moa talohan’izay saingy tsy dia naha rototra loatra ny mpanara-baovao fa ankehitriny kosa anefa taorian’ny fialan’ny filohan’ireo gadra politika na FEDEP, Henri Rakotomalala na Riribe tao amin’ny RMDM dia nanaraka koa ireo depiote miisa 2 voalaza teo. Etsy ankilany moa ry zareo samy ao an-dapa dia io hiaraha-mahita mifapikapa ranjo io ary ny mahagaga ao anatin’ilay raharaha dia hita ho saika ireo noheverina fa akaiky ny filoham-pirenena avokoa no toy ny ezahana aletika ao anatin’ny dosie momba ny fifofoana ny ainy. Misy firehana anaty fitondrana izay tena voaresaka ho manana ady mangatsiaka amin’ny filoham-pirenena koa anefa etsy ankilany no mahagaga fa toa tsy misy voakitika mihitsy tao anatin’ity raharaha ity mihitsy. Ho lany eto ny andro raha mbola hampahatsiahy ireo famakafakana hafa efa natao tany aloha momba ity raharaha ity fa ny azo amehezana azy aloha dia averina hatrany hoe tonga amin’ilay lohatenina sarimihetsika sy fomba fiteny iray izay hoe “guerre des étoiles” izy ity ary ny vokany anefa dia mikorontana ambony ambany ilay raharaham-pirenena fa zary hita ho tsy misy varany intsony kosa ny fitsinjovana ny fiainam-bahoaka tanisaina lava fa nametraka izao fitondrana izao eto amin’ity Madagasikara ity.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap