airtel

Politique

29-juil-2021

Politique

Raharaham-pirenena Naneho ny alahelony ny depiote Brunelle

Sample post image

Tao anatin’ny fivahinianana tao amin’ny Real TV Madagascar omaly 28 jolay no nilazan’ny depioten’Ikongo sady Filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Atoa Brunelle Razafitsiandraofa

29-juil-2021

fa ny olana eto Madasikara, dia tsy mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana ny Malagasy, fa ny governemanta ihany. Mila homena sehatra ny Malagasy fa amin’izao tsy afaka miantsehatra. Manova rafitra no mety, mila amboarina mihitsy I Madagasikara. Mitazona ny teniny amin’ny hanafoanana ny zandarimaria noho izy tandindon’ny fanjanahan-tany I Brunelle Razafitsiandraofa. “Amin’ny maha depiote ahy manokana, malahelo aho no miteny fa mbola tsy mandroso Ikongo. Gymnase mahazaka olona arivo no mandeha ao. Misy dispansera ihany hoe hatao ao amin’ny kaominina Fanoriha, fa fototra 20sm ihany dia niala ilay orinasa. Ao amin’ny kaominina Ambolomadinika dia misy EPP hatao, fa fototra 45 sm dia lasa ihany koa ny orinasa. Miresaka amin’ny governemanta ihany, fa tsy misy valiny. Roa taona sy tapany no tavela mbola afaka hanaovana zavatra raha misy ny finiavana. Vao mainka ratsy, lasa fotaka be ny RN144. Mahatratra 5,3560 miliara ny RN14 miainga Ifanadiana-Ikongo tamin’ny 2020. Efa 2021 misasaka ny taona kanefa tsy misy mihetsika, vao mainka fotaka be. Nampalahelo ny resaka faritra faha-23. Nafindra any Fitovinany Ikongo. Nolazaina fa hoe resy izahay, saingy feom-bahoaka no nentika. Nieritreritra ny olona akaiky ny filoha fa baikoiko ny olobe sy Raiamandreny. Tamin’ny 8 oktobra 2021 nivory izy rehetra 440 nanapaka hoe makany Vatovavy, ary nitanisa ny antony. Manahy fa noho ny resaka faritra faha-23 no anton’ny fahirano an’I Ikongo, hoy io depiote io. Nambarany fa an’arivony taonina ny volamena noloarana tao Ikongo. Tamin’ny tetezamita, sambo 3 no mitatitra volamena, kanefa làlana 92km miala eo Ifanadiana-Ikongo tsy voakitika. Niaiky ny fidangan’ny vidim-piainana, ny vidin-javatra, toy ny simenitra, vy,… ny tenany, ka manahy ampihimamba. Ara-politika, mitady ho hafahafa sy mitady hampihomehy eo anatrehan’ny ekipa izay nitolona ny governemanta. Ny Birao politika TGV-MAPAR, ny governemanta, ny Cerveau nafarana mampitaraina ny depiote, saingy odiana fanina. Sao dia fotoana hanovana ekipa izao, hoy I Brunelle Razafitsiandraofa.



Mikasika ny resaka famonoana ny Filoha, dia nilaza izy fa tsy gaga fa taitra. Tsy gaga satria ny antony fa tsotra. Mihevitra ny tenako fa manana fahatakarana bebe kokoa. Mbola tavanin’ny hery avy any ivelany I Madagasikara. Rehefa mandray fanapahan-kevitra manenligelina ny tombotsoany ny firenen-dehibe. Misy tànana tsy hita maso eto, misy 26 000 mizaka zom-pirenena Frantsay, ary manam-pahaizana avokoa ny 85%. Manao ny fomba mamohehitra rehetra hanakorontanana ny fampandrosoana, hoy io depiote io. Tena mitaingim-bozona I Lafrantsa, ary tsy misy fahaleovantena izany eto. Ny vola dia andrasana avy any ivelany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap