airtel

Politique

22-juil-2022

Politique

Raharaham-pirenena Raikitra ny fitakiana ny fialan’ny Filoha

Sample post image

Miakatra ny maripana politika, fikambanana miisa 72 no nitambatra ho vovonana iray, ary milaza hametraka taratasy mangataka ny hanalana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

22-juil-2022

 Ny alatsinainy ho avy izao no fotoana voafaritra hametrahany izany eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana na ny HCC. Noho ny vidim-piainana sy ny olana maro mandalo eto amin’ny firenena izay tsy voavahan’ny mpitondra intsony no voalaza fa anton’izany. Misy ireo sary sy endrika fantatry ny maro, fa misy ihany koa ireo tarehy vaovao tazana ao anatin’ity vovonana ity. Isan’ireo lohandohan’ny mpisorona Atoa Razafinimamy Christian na Rahckiky, izay vao tsy ela no naneho hevitra mahery vaika fa tokony hametra-pialana ny Filoha sy ny praiminisitra fa tena tsy hain’izy ireo ilay mitondra firenena. “Izahay dia mangataka ny hanajanonana ny vidin'ny solika ary tsy anaiky intsony izao zavatra izao, aoka ho fantatrareo fa ianareo “orange” ireo no vitsy an'isa.Ianao mihitsy Atoa Andry Rajoelina no anisany mampahantra anay satria nidina be ny vidin-tsolika maneran-tany ianao tsy nety nampidina.Tiako ny tanindrazako ary ity Madagasikara ity dia an'ny Malagasy rehetra, ho anareo manaiky izao zavatra izao afaka misintaka fa izahay dia tsy mankasitraka velively izao zavatra mahazo ny Malagasy izao”, hoy izy tamin’izany. Tsara ny manamarika fa isan’ny olon’ny TGV io mpanakanto io saingy naneho, fa tsy tana intsony ny fo ary tsy zaka intsony ny zava-misy, nanana andraikitra tao amin'ny lokom-boasary Toamasina aho ary fantatry ny rehetra izany, fa misy kosa ny zavatra tsy azo leferina intsony, hoy izy.
HOLAVINA
Azo antoka 90% fa holavin’ny HCC ny fitoriana sy fitakiana ny fanesorana ny filoha, ary tsy vao izao no nisy fitoriana mitovitovy amin’izany, saingy voatsipaka hatrany indrindra fa tsy misy hetsika politika matanjaka mifanindran-dàlana na manamafy izany. Na izany aza, handemy hatrany ny fitondrana, hiteraka sary ratsy ho an’ny Fanjakana hatrany izao. Efa sary niseho tamin’ny andron’ny Fanjakana HVM ny tahaka izao, nisy ny fitoriana samihafa, saingy voatsipaka. Tsy nijanona tamin’ny fitoriana ambony latabatra anefa, fa niafara teny an-dalambe tamin’ny alalan’ny hetsika notarihin’ny depiote 73. Rehefa tonga any amin’ny tsy azo hanoharana sy fifandanjan-kery ara-politika vao ho tonga, amin’ny fanapahan-kevitra lehibe ny HCC, tahaka ny fandravana ny governemanta tamin’ny 2018. Heverina fa tsy hipetra-potsiny anefa ireto mpitaky. Mety hiverina ve ny kisarisary mitovy ny 2018 ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap