airtel

Politique

25-avril-2022

Politique

Rajoelina sy ny fitalahoana famatsiam-bola Hamafiso aloha ny ady amin’ny kolikoly, hoy ny MCC

Sample post image

Mitohy ny akon’ny dian’ny Filoham-pirenena sy ny delegasionina notarihiny tany Etazonia. Nisy ny fihaona’ny Filoha Tale Jeneralin’ny MCC (Millennium Challenge Corporation)

25-avril-2022

Rtoa Alice Patterson Albright tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 21 aprily tany Washington DC. Sampan-draharahan'ny Governemanta amerikana izay manohana ireo firenena an-dalam-pandrosoana amin'ny ady amin'ny fahantrana amin'ny alalan'ny fanomezana tohana ara-bola mba hanafaingana ny fitomboana ara toekarena ny MCC. Namporisika ny Fitondram-panjakana Malagasy hanohy ny ambara fa ezaka efa ataony ho an'ny fampandrosoana, Rtoa Alice Patterson Albright, ary niarahaba ny Filoham-pirenena amin'ny fandraisany anjara manokana amin'ny ady amin'ny kolikoly. Nanamafy am-bava kosa I Andry Rakoelina fa anisan'ireo laharam-pahamehana ilofosany sy ny Fitondram-panjakana izay tarihiny io ady amin’ny kolikoly io. Mameno ny antsasa-manilan'ireo fepetra takian'ity sampan-draharaha amerikana ity i Madagasikara ankehitriny, ary tsara toerana noho izany amin'ny hidirany amin'ny lisitr'ireo Firenena tsara toerana amin'ny fahazoana ny fanohanana avy amin'ny MCC, hoy ny fampitam-baovaon’ny Fanjakana. Raha ny resaka ambony latabatra aloha, dia tena miady amin’ny kolikoly ny Fanjakana Rajoelina, fa raha ny zava-misy eo amin’ny fitantanana ny Fanjakana sy ny raharaham-panjakana kosa, dia lavitry ny kitay izany Fanjakana tsara tantana sy mangarahara “bonne gouvernance” izany. Ny volan’ny covid-19 nahatratra 1818 miliara Ar betsaka ny fitantanana tsy nazava, ny volan’ny beantitra ao amin’ny CNaPS ahiana ho natao tantely afa-drakotra, ny resaka tsenambaro-panjakana betsaka ny afera tsy milamina,… Ny mpanao ampamoaka sy mampaneno lakolosy eo anatrehan’ny ahiahiana kolikoly avo lenta indray no voahenjika raha tsy hilaza afatsy ilay mpiasa nisahana ny tsenambaro-panjakana tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana Atoa Ravo Nambinina Ramasomanana. Izy indray no notoriana rehefa namoaka ampahimeso sy ny niantso ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly sy ny Firaisamonim-pirenena fa misy afera be amina miliara miliara momba ny fitantanam-bola, ireo mpiasan’ny CNaPS notoriana tamin’ny fivoahan’ny dosie goavana saingy noahafahan’ny fitsarana moa, Rtoa Clémence Raharinirina nahasahy nitsikera ny fitantanana ara-bolan’ny Kaominina Antananarivo tahaka ny raharaha SMGD (Société Municipale de Géstion Digitale),… Ny raharaha ahiahiana kolikoly avo lenta mahasaringotra ireo olona ambony tahaka ny minisitra na Praiminisitra eo amin’ny Antenimieram-pirenena dia efa tapaka ny làlan’ny makany amin’ny fanenjehana satria toa hodiana adala. Mahazo kiana ara-diplaomatika hatrany isika eo amin’ny sehatry iraisam-pirenena mba hanamafy ny ady amin’ny kolikoly, izay fepetra hahazoana tohana sy fanampiana. Lojika raha tsy misy ny tena volabe mivaingana, fa mitsitaitaika, tahaka ilay 400 tapitrisa dolara izay hatramin’ny 2028, saingy tsy mba tao anatin’ny seraseran’ny mpitondra.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap