airtel

Politique

20-oct-2022

Politique

Rajoelina sy Ravalomanana “Manao ampihimamba ny tontolo politika”

Sample post image

Rehefa malemy ny mpanohitra aty ivelany dia velona ho azy ny mpanohitra ao anatiny. Ny anton'ny fanoherana ao anatiny dia hoe iza no handimby ilay eo satria tsy misy ny mandrakizay, lasa mikorontana sy miady an-trano ho azy ny ao anatiny”,

20-oct-2022

hoy ny Minisitra teo aloha sady mpahay fiarahamonina Paul Rabary raha nivahiny tao amin’ny Fandaharahana Bemiray an’ny Top Radio 102.8 FM omaly. Raha vao matanjaka ny mpanohitra, hoy izy, dia miray hina ho azy ny fitondrana. Nomarihin’I Paul Rabary fa matetika miainga avy ao anatin’ny Fitondrana ny fanonganana sy ny fionganana. Ny nampiongana ny Amiraly Ratsiraka tamin’ny 2022 dia ny adin’Atoa Pierrot Rajaonarivelo sy Atoa Tantely Andrianarivo, hany ka nisy ny nandeha tany amin’I Marc Ravalomanana. Ny 2009: nisy miaramila izay teo ambany nanongana, fa ny tena nanafaingana azy dia ny mpitarika ny delegasionina avy amin’I Marc Ravammomanana dia ny Praiminisitra Jacques Sylla izay efa nodimandry no nakany amin'ny 13 may, dia niteny hoe: mialà ianao Atoa Filoha, ny resaka tolona 26 janoary dia efa maty. Ny zava-misy ankehitriny, aminy dia mifamelona ara-politika ny Filoha Ravalomanana sy Filoha Rajoelina. Raha tsy ireo no mifanehitra dia lasa misy toeran'olona hafa eo, ka samy manana tombony, tsy hanome sehatra olona olona fahatelo na fahaefatra. Ny tanjon'izy ireo dia tsy hisy “espace politique” na tontolo politika ho afatsy ho azy mirahalahy, ary nahomby io hatreto, niainga tany amin’ny 2009, hany ka na ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina aza 8% no azony tamin’ny fifidianana. Nomarihiny, fa ny fisian’ireo olona avy ao anaty fitondrana mivoaka toa mifanandrina amin’ny mpitondra dia fambara, fa miha malemy ny tanjaky ny filoha Ravalomanana. Hitan'ilay olona fa tsy ho tafavoaka, ka ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay depiote IRD dia mihoatra noho ny mpanohitra ny lazainy, mipoitra ry Siteny Siteny Randrianasoloniaiko izay depiote IRD, Hajo Andrianainarivelo izay tao anatin’ny Fitondrana no niala,... Lasa misy "ambition personnelle" na hambom-po, mahatsapa fa malemy ny Filoha Ravalomanana ka tsy voatery hialokaloka ao amin'ny Filoha Rajoelina, fa afaka mandeha irery. Handrava tanteraka ny fifamelomana polikan’I Marc Ravalomanana ny fifidianana 2023, raha ny fanehoan-kevitr’i Paul Rabary. Misoko mangina moa ankehitriny ny fivoizana sy fikotrehana “ni…ni…” hanilihana an’I Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Hizotra amin’izay ve ny fandehan-draharaha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap