airtel

Politique

22-mars-2021

Politique

Rajoelina sy Ravalomanana Tena ho sarotra ny fampihavanana

Sample post image

Misy mpanao politika miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena tsy hanampy an’i Madagasikara intsony sy hanasazy,

22-mars-2021

 

 

 hoy i Andry Rajoelina. Mampahatsiahy ny 2009 satria ny mpanohitra tamin’izany ihany no mpanohitra ankehitriny, nandefa taratasy amin’ny hanafoanana ny AGOA. Naharesy izy ireo, fa maro ny very asa. Nisy mihitsy aza ny nanao antso avo hoe hotafihina i Madagasikara. Misy mihitsy aza niantso an’i Robert Mugabe hanafika an’i Madagasikara. Na inona na inona tsy fitovian-kevitra, dia tsy tokony hisy ny fikatsahana hamotika sy hanasazy an’i Madagasikara. Miezaka manilika sy mitady izay hamelezana ny hafa, te haneho mandrakariva fa tsy madio tànana sy tsy manam-pahadisoana. Tsy takany ve sa hiniany hikipiana fa setriny mazava ho azy na “suite logique” vokatry ny fanonganam-panjakana avokoa ny fampiatoana na “suspension” an'i Madagasikara tamin’ny rafitra iraisam-pirenena nanomboka tamin’ny SADC, Vondrona Eoropeanina, ONU,… Rehefa dinihina, niteny ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia tsy maintsy valiana sy hanaovana fanambarana. Tsy maintsy misy fankahalana sy fanenjehana io Filoha teo aloha io izay ambara, ary toa efa misy fankahalana lalina tsy ho voafafa mandrakizay ny fahitana azy. Tsy levon’ny vavonin’ny Filoha ankehitriny ny karazana taratasy miantefa amin’ny sehatra iraisam-pirenena nataon’i Marc Ravalomanana. Adinon’i Andry Rajoelina ny 2009, ka ny làlan’ny demokrasia dia izay maro an’isa, izay nosafidian’ny vahoaka no mitondra ny firenena, misy ny tsy manaiky resy, hoy izy. Tokony hajaina ny rafitra demokratika, fa tsy hanaiky ny lembenana izahay. Tsy misy maneran-tany ny hoe ny vitsy an’isa no handeha hametraka ny lalàna, hoy i Andry Rajoelina. Fa maro an’isa ve ny nanongam-panjakana tamin’ny 2009. Ankehitriny, raha tiana handroso, dia tsy mila disadisa intsony. Raha misy ny fitohizana fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika in-telo eo, dia ho tafiakatra 4000 dolara ny harin-karena faobe na PIB isan’olona raha 500 izay amin’izao, hoy ity Filoha ity. Tsy efa tokony nihoarana ela ve izany raha tsy nisy ny 2009 ? Hita tamin’ny kabary ny sabotsy teo iny fa tena mbola sarotra ny hihavanan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, tahaka ny hoe maso sy sakay mihitsy ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy mianaka ireto.Tahaka ny hoe misy hantsana lalina dia lalina manelanelana ireto fioha 2 ireto, ka hatramin’izao taona 2021 izao dia mbola mitohy ny fifanandrinana efa nanomboka ny taona 2007 izany hoe 14 taona lasa izay.

Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap