airtel

Politique

24-févr-2021

Politique

Rajoelina sy Ravalomanana “Tsy manan-jo hanambara fa mahafehy ny firenena”

Sample post image

Ny tahan’ny tsy fandraisana anjara tamin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ny 19 desambra 2018 dia nahatratra 51,91%,

24-févr-2021

 

 

 

 maherin’ny antsasamanilan’ny mponina dia nanapa-kevitra ny tsy hisafidy na an’Atoa Marc Ravalomanana na an’Atoa Andry Rajoelina nandritra ny fifidianana fihodinana faharoa, hoy ny Hetsika Rohy. Nampahatsiahy an’ireo mpifanandrina roa tonta sy ny mpomba azy fa tokony ho tsy adinon’izy ireo sy raisiny am-panetren-tena io toe-javatra io. Nambara fa tsy manana zo hanambara na ny iray aza fa azy ary voafehin’izy ireo ny firenena iray manontolo, na dia hita fa mameno sy mifehy ny haino aman-jery izy. Sarotra ny toerana misy ny firenena ankehitriny « Mandroso maty raibe, mihemotra maty renibe » : mbola afaka hanohy hiaina amin’izao toe-draharaha izao ve isika nefa ny mpitondra izay zara raha mihaino sy toa mirona amin’ny tsy refesi-mandidy , dia tsy manome toky velively eo amin’ny lafiny fahaiza-mitantana sy eo amin’ ny famaliana ny hetahetan’ny olompirenena. Inona anefa no làlana hafa azo aleha, ny vahoaka ity efa sasatra niaina krizy lavareny teto amin’ny firenena, na toy inona ny fahafahany niharitra izany hatrizay ? Mangataka amin’ireo mpisehatra ara-politika ny Rohy mba hisian’ny fahatongavan-tsaina mahery vaika : manainga ny antoko mpanohitra mba handray andraikitra kokoa amin’ny alalan’ny fanomezana tolo-kevitra mivaingana sy ny fanekena ny fifampidinihana amin’ny mpitondra, ary ny mpitondra ankehitriny mba hifampidinika amin’ny antoko mpanohitra, ary hiroso mazava amin’ny fanarenana marina ny firenena amin’ny alalan’ny fiarahana miasa amin’ireo mpisehatra hafa eto amin’ny firenena dia ny sehatra tsy miankina izay anisany mpamorona harena sy mpamorona, mpiaro ny asa, ny firaisamonim-pirenena rehetra, ny sendika, ny fiangonana, ny haino aman-jery tsy miankina, … Raha sanatria mantsy mitoetra ny krizy vaovao sy fikatsoana ny fiainampirenena, dia ho tompon’antoka tanteraka ny roa tonta , hoy io Firaisamonim-pirenena io.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap