airtel

Politique

02-avril-2021

Politique

Ralison Roger « Zanaky ny filoha koa ny mpanohitra ka tokony henoiny »

Sample post image

Tsy Raiamandrenin’ny MAPAR na TGV irery intsony toy teo aloha Atoa Andry Rajoelina taorian’ny nahavoafidy azy ho filoham-pirenena

02-avril-2021

 

hoy ny profesora Ralison Roger omaly fa efa Raiamandrenin’ny Malagasy rehetra mihitsy. Tsy tokony hisy fanavahana araka izany hoy izy ny fihainoana ny zanaka rehetra fa raisina avokoa na fanasohasoana izany na fanakianana. Ny mpanakiana no tena tokony henoiny hoy hatrany izy satria ireny no tena manam-pitiavana ny filoha na dia lazaina fa mpanohitra aza. Ny mpanasoaso kosa hoy izy tokony hasiany fitandremana soa sanatria mandatsaka any anaty lavaka. Mikasika ny lesoky ny mpitondra nifanesy teto amintsika hatramin’izay moa dia notsiahiviny fa anisan’ireny ny tsy fandraisana mpampianatra be dia be sy ny paramed be dia be. Miaina izany isika amin’izao fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 hoy izy. Vitsy loatra ny mpitsabo ka na ireo marary efa ambavahoana aza tsy misy mandray an-tanana intsony. Tokony horaisin’ny mpitondra ankehitriny ho lesona izany hoy hatrany izy.

Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap