airtel

Politique

29-oct-2025

RANTENAINA FALISON JOCELYN

Aza sokafana ho an'ny MAPAR sy TGV intsony ny 13 mey !

Sample post image

Aza sokafana ho an'ny Mapar sy ny tgv

29-oct-2025

izany intsony ny kianjan'ny 13 May hoy Rantenaina Falson Jocelyn, mpanao politika no sady Filoha nasionalin'ny Vondron'olona miaro ny Fitondrana mijoro na ny VMF raha nanoro hevitra ny Fitondram-panjakana ny tenany. Aleo izay tena mahatsiaro ho marary hoy izy no ho eny. Tsy rariny raha araka ny fanazavany hatrany raha vao tamin'ny iray volana mahery ireo no nanakana ny olona tsy hiditra sy haneho hevitra teny amin'ny kianjan'ny 13 Mey nefa ankehitriny dia hibahana eny sahady. Notsiahiviny manokana moa fa tgv niala ny tenany ary maharaka tsara ny raharaha politika eto amin'ny tany sy ny Firenena. Mikasika ny tsy fisian'ny mpikambana Mapar ao anatin'ny governemanta moa dia nomarihiny fa rariny loatra izany. Vao iray volana ireo no tao hoy izy no sady efa voky. Mila olom-baovao hifanampy aminy ny Fitondram-panjakana mandritra ny 3 taona ho avy hivoahana amin'izao fahasahiranana lalovan'ny Firenena izao.
Pati
Légende : Rantenaina Falson Jocelyn !
 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap