airtel

Politique

13-déc-2021

Politique

Resaka famoriam-bahoaka Manao politikan’ny kanosa ny mpitondra

Sample post image

Mitohy ny hetraketraka sy fihantsian’ady ataon’ny Fanjakana Rajoelina amin’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany. Ny sabotsy teo, nanao fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception) Atsimo Andrefana,

13-déc-2021

 fa tsy azo atao ny mamory olona tsy nahazoana alalana avy amin’ny tompon’andraikitra noho ny fitandroana fahasalaman’ny tsirairay manoloana ny mbola fisian’ny aretina coronavirus. Fomba sy tetika nentina nanakana sy nietraketraka tamin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy noho ny fihaonana amin’ny vahoakan’i Toliara, nifanandrify tamin’ny tsingerin’ny faha-72 taonany omaly 12 desambra 2021 io. Ny takarivan’ny sabotsy teo, dia efa nosakanana tsy afaka hiditra tao amin’ny Magro izay toerana an’ny tsy miankina ny mpikarakara. Vao maraina dia efa rakotra mpitandro ny toerana. Porofon’ny maha hetraketraka politika azy ny fisian’ny famoriam-bahoaka nataon’ny Filoha Rajoelina tao Antsirabe ny andron’ny sabotsy teo. Tena nifanosona tanteraka, ary tsy nisy fitandroana ny fepetra ara-pahasalamana izany. Ingahy Filoha Rajoelina sy ny vadiny niampy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Hery manana Razafimahefa aza no Lehiben’ny mpitari-bato vilam-bava tsy nanao arovava orona teo ambony lapihazo rah any sary no nojerena. Ny tany Atsimo Andrefana anefa, dia miditra an-tsehatra manakana famoriam-bahoaka noho ny antony ara-pahasalamana ny olom-panjakana. “Tsy mbola nisy fanambarana ofisialy sy didim-panjakana momba ny hamehana ara-pahasalamana nataon’ny Filoha, ka te handray fahefana sy fanapahan-kevitra ambonin’ny Filoha ve ireo manam-pahefana any Atsimo Andrefana, mbola Fanjakana tan-dalàna ihany ve izany?”, hoy ny mpahay lalàna iray ao anatin’ny Antoko TIM raha nanontaniana ny heviny.
ANTSIRABE: 183 NY TRANGANA COVID-19; ATSIMO ANDREFANA: 12 Rehefa nojerena ny trangana valanaretina amin’ireo faritra roa ireo teo anatin’ny herinandro, dia miisa 183 ny tao Vakinankaratra raha ny tatitra ofisialy, 12 kosa ny tany Atsimo Andrefana izay tsy ampy 10% amin’ny tao Antsirabe nanaovan-dRajoelina famoriam-bahoaka tena niezahana nampiseho fa mahazaka olona. Tsy tao Antsirabe ihany, fa nialohan’io dia namory olona tany Toamasina, Sonierana Ivongo,… Fa rehefa ny Mpitondra no mamory vahoaka dia tsy eo ny coronavirus fa rehefa ny hafa dia ilay olona mpitarika mihitsy no sokajiana ho mitondra sy ahiana hanaparitaka valanaretina? Tsy resaka fijerena tsangan’olona na fitanilana amin’ny andaniny na ny ankilany, fa tena politika iva lenta sy mirefarefa amin’ny tany. Ny tahaka izao ve sisa no heverina ho paikady mahomby ahafaha-mitazona fahefana ka rehefa ny hafa no mamory olona sy maneho hevitra dia handrangarana basy aman-tafondro fa rehefa ny tena dia Andriamanjaka afaka manao izay tiana? Izany ve tsy efa tena revin-gadra ara-politika ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap