manoloana ny zava-misy eto, hoy ny mpamakafaka fiainam-pirenena, ny Révérend Père Prospère Ratovomananarivo. Izaho, hoy izy, tsy hanao hoe Babakoto satria samy tsy mahalala fa voafitaka. Ny sasany maka ilay mpamitaka ho mpanolontsaina manokana. Ny sasany miara-maka sary. Ny hafa indray miara-mihinana. lo dia toy ilay afera teny Ambohimalaza ihany. Misy miara-mihinana fa tsy maty. Misy tsaboina fa tsy marary. Misy ihany koa gadraina fa tsy meloka. Mampametra-panontaniana marina ny tena hevitr'ilay fandripahana be dia be. Sa ve nila nialohavana fandripahana ny fandehanan'ilay Boeing miisa 5 nankany Iran sao mianjera nefa tsy misy mpandeha ao anatiny. Asa re! Samy tsy mahalala, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija