airtel

Politique

13-nov-2025

RINAH RAKOTOMANGA

Tazonina eny amin'ny Bianco, henjana ny vesatra...

Sample post image

Efa nentina eto Antananarivo omaly,

13-nov-2025

tazonina atao andri-maso na « garde vue » eny amin’ny BIANCO hiatrika ny fanadihadiana . «Villa isolé » na toerana nitokana no voalaza fa toerana nisitrihany sy nahayrarana azy tany Antetezambaro Toamasina. Anisan'ny raharaha nisamborana azy ny afera Madagascar Airlines, ary voalaza fa efa misy ny olona hafa tazonina hiatrika fanadihadiana miaraka aminy. Raharaha hafa ihany koa ny resaka tsenambaro-panjakana izay olona akaiky azy dia ny sakaizany ihany no nomena vahana. Raharaha nalaza efa an-taonany maro moa ny resaka SMMC (Société de Manutention de Marchandise Conventionnelle) tao amin'ny Seranantsambon'i Toamasina izay nisy resaka kolikoly avo lenta fanodinkodinana vola 1 145 914 278, 1 72Ar na 1,4 miliara Ar mahery vola 80% tamina tsenambaro-panjakana kanefa tsy nisy asa vita, raha ny dosie nivoaka tamin'izany. Voasaringotra tamin'io i Rinah Rakotomanga saingy tsy nisy sahy nikitika azy ireo ambaratongam-pahefana sy rafitra miady amin'ny kolikoly satria izy ireo no teo amin'ny fahefana tamin'izany. Mbola nisy namoaka ihany koa taty aoriana ny hoe 102.444 € na 512 220 000 Ar ny trosan'i Rinah Rakotomanga tamin'ny fandefasana entan'i Mada Groupage tamin'ny Madagascar Airlines , nanomboka fevrier ka hatramin'ny décembre 2023. Ampahany amin'ireo raharaha heverina fa mahasaringotra azy ireny ka asa izay ho tohiny na ho afa-bela na hilentika fa vao fanadihadiana aloha izao fa tsy mbola Fitsarana. Ny tsy azo lavina dia betsaka ireo olon'ny Fitondrana Rajoelina nikoizana tamin'ny afera goavana fa niniana nojerem-potsiny sy nihevitra ny tsy ho tratry ny aloka. Betsaka ny raharaha goavana nojerem-potsiny toy ny fitantanana ny volan'ny Coronavirus sy ny raharaha trafikana volamena izay samy nanaovan'ny cour des comptes tatitra avokoa; ny raharaha Romy Randrianarisoa izay nosamborin'ny Fanjakana Britanika noho ny fikatsahana hanao kolikoly avo lenta 25 000 livre sterling fa nodian'ny fitondrana tamin'izany adala satria mety kopaka nisasahana; ny fanjakazakana nataon-dry Lanto Rakotomanga tamin'ny fangoronan-karena samihafa toy ny fandripahana ala arovana tany Alaotra,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

Maro no miha resy lahatra ankehitriny

Card image cap
04-déc-2025

Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena

Card image cap
04-déc-2025

Voatendry ho mpanolo-tsaina maharitry

Card image cap
04-déc-2025

aloha noho ny fifidianana tsy azo antoka…

Card image cap