airtel

Politique

22-juil-2025

Rivellino Ravelomahazo

«Ataon’ny olona bala itifirana anao ny fifanarahana tsy voalanjalanja»

Sample post image

Efa nisy ny serasera ofisialy nataon’ny fiadidiana ny repoblika moa mikasika

22-juil-2025

ny dinika momba ireo nosy malagasy, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena no sady mpandrindra nasionalin’ny JPRM na ny Vovonan’ireo tanora tia tanindrazana ho an’ny revolisionin’i Madagasikara, Rivellino Ravelomahazo, izay tsy hidirantsika lalina intsony. Ho anay kosa nefa, hoy izy, rehefa miresaka politika dia tsy afaka miala amin’ny jeografia. Ny jeopolitika misy amin’izao dia mitady fahaleovantena ara-toekarena kokoa, izay mitovy amin’ireo zanatany anglisy taloha, ny zanatany frantsay ankehitriny. Ny fisokafana marolafy amin’ny firenena hafa izao no tena ataon’ny firenena sasany aty Afrika. Izay no fialàna amin’ny hoe «dipotonomie coloniale» na fiankinandoha marolafy amin’ny mpanjanaka. Tsy misy azo omena tsiny na ny frantsay na ny firenena maro te hanana ny maha izy azy eo anatrehan’izany satria samy miaro ny tombontsoany io. Ny diplaomasia midika tombontsoan’ny firenena. Tamin’ny andron’ny praiminisitra Rainilaiarivony dia nisy fifanarahana mikasika ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakàna teto Madagasikara. Fiaraha-miasa tamin’ny frantsay io ary niteraka zava-doza taty aoriana satria i Madagasikara mihitsy no voababo lasa zanatany. Ny mpanjaka lasa sesitany niaraka amin’ny fianakaviany. Niteraka zava-doza ny fiaraha-miasa tamin’ny frantsay! Tsy sanatria hoe tokony hiverenana izany fa tsara ny mijery ny tantara. Mila mailo tsy hiverenan’izany isika amin’izao. Ataon’ny olona bala itifirana anao ny fifanarahana tsy voalanjalanja sy voafakafaka. Miezaka mandeha moramora anatina fifanarahana diplaomatika izao i Madagasikara hijoro ho amin’izay fahaleovantena ara-toekarena kokoa izay. Ny nosy manodidina efa hoe an’i Madagasikara, raha ny fanapahan-kevitry ny ONU tamin’ny 1979 dia eo izany isika no mitaky azy. Ny nosy rahavavintsika atsy Maorisy koa nefa tamin’i Tromelin sy Nosy Chagos niezaka nanao ny fitakiany ary nitondra ny raharaha teo anivon’ny CIJ na fitsaràna iraisampirenena ahafahany mamerina ireo tany. Tafaverina ny tany fa ny frantsay no tsy nanasonia ny famerenana dia tsy nisy azo natao. Ilaina ny mijoro amin’ny fitiavan-tanindrazana, izany hoe, miaro ny tombontsoa ho an’ny tanindrazanao sady mahay miara-miasa amin’ny hafa. Fifandanjan-kery foana ny diplaomasia! Isan’ny mampitombo tanjaka an’i Madagasikara io SADC hoavy io satria firenena miisa 16 no mpikambana ao. Misy mpamokatra solika ao, tsena lehibe azo ifanarahana, fivezivezen’ny olona amin’ny vola sy fampiasam-bola, ngeza izany. Firenena no jerena fa tsy antoko na tsanganan’olona. 21 taona isika izao no tao. Ao anatin’ny G 77 ny tarik’ireo firenena 16 anaty SADC ireo. Afaka manampy an’i Madagasikara hitaky ny nosy manodidina izany ireo. I Kaomoro izao mijaly mihitsy mitaky an’i Maioty, izay isan-taona, amin’ny fivoriamben’ny ONU, dia mamerina mitaky izany foana ny filoham-pirenena kaomorianina. Tsy misy varany nefa. Isika io mandroso ve dia hifanatsatso am-pitoerana fa tsy aleo mifanohana? Amin’ilay «Zone économique exclusive» na «haute mer», izany hoe, aty amin’ny 370km any afovoanin’ny ranomasina any dia tokony afaka hiara-kitantana izany i Madagasikara miaraka amin’ireo mpikamban’ny SADC aty amin’ny faritr’i Afrika atsimo ireo. Heritrereto ny ho tombontsoan’i Madagasikara amin’ny fandraharahana an-dranomasina sy harena anaty ranomasina amin’izany! Eo koa ny OIF miara-miasa amin’ny fitantanana izany. Nosy mila ranomasina nefa tsy manana herijika handehanana irery i Madagasikara, noho izany, mila ny rehetra izy hiaro ireo nosy manodidina sy ireo fari-dranomasina «zone haute mer» fa ny «zone côtière» na «zone territoriale», izay 22km miala ny sisintanintsika, kosa iriana ho vitan’i Madagasikara fa izao aloha tena ilaina matanjaka ny diplaomasia, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

Card image cap
10-févr-2026

Rajoelina tany Eswatini ireny!»

Card image cap
10-févr-2026

ireny no tsy maintsy hamadika!»

Card image cap
09-févr-2026

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

Card image cap
09-févr-2026

fanadihadiana ataon’i Maurice »

Card image cap
09-févr-2026

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

Card image cap