airtel

Politique

25-févr-2021

Politique

Rivo Rakotovao “Handamina fa tsy hihantsy ady no ilàna ny Fanjakana”

Sample post image

Nahitsy ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Atoa Rivo Rakotovao omaly tao amina fahitalavitra tsy miankina iray,

25-févr-2021

 

 

 

 fa tonga amin’izao kihon-dàlana manahirana ny firenena satria tsy nezahina tamin’ny fotoanany ny fifampihainoana. Nolazaina fa hoe mangina ianareo, ianareo efa nitantanana teo, inona koa izay ianareo HVM? Inona ihany koa ianareo izay TIM na ny antoko hafa? Inona koa ianareo tsy mahay na inona na inona tsy lanin’ny vahoaka ireo? Mety tsy ho tonga amin’izao raha nifampihaino, hoy ity Filohana andrim-panjakana teo aloha ity sady Filoha Nasionalin’ny Antoko HVM ity. Amiko,Fanjakana natao handamina, fa tsy hifampiantsy ady izany. Mijanona ao anatin’ny ara-dalàna, ary izany no ilàna ireo mpitandro ny filaminana ireo, ho an’ny olona tsy manara-dalàna kosa, hoy I Rivo Rakotovao. Nambarany fa raha niezaka namaha izany, nampiseho fa tsy mitongilana dia tsy niafara amin’izao. Milaza ny hanohy ny asa maha mpanohitra azy ny HVM. Zava-dehibe ny fifampihainoana ary fomba betsaka no ahafahana manao izany, tsy hoe hibaboka akory ny Fanjakana, fa mba tokony ho tazan’ny olona eny ihany hoe mihaino ary mihaiky fa misy zavatra tokony hazavaina ny vahoaka. Natao handamina ny fiarahamonina ny Fanjakana fa tsy Fanjakana hifampitsapa hery sy hifametatra amin’ny vahoaka entiny sy tsy mitovy hevitra aminy ? Hoy hatrany ity Filoha Nasionalin’ny Antoko HVM ity. Nambarany fa hanohy ny asa maha mpanohitra azy ny HVM.

Toky R

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap