airtel

Politique

14-juin-2022

Politique

Rivo Rakotovao “Resaka solompenakoho ve no anenjehana ahy ?”

Sample post image

Nahatratra ora telo sy sasany teo ny fakana am-bavany sy fanadihadiana nataon’ny Bianco tamin'ny filohan'ny antenimerandoholona teo aloha Rivo Rakotovao omaly.

14-juin-2022

Tamin’ny 9ora sy 45 minitra teo ny tenany no nigadona teny amin’ny Foiben’ny Bianco Ambohibao rehefa nahazo fampanantsoana mitondra ny datin’ny 21 martsa 2022 mba ho avy eny hohadihadiana noho ahiahiana kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana, ary fanaparam-pahefana tao amin’ny antenimiera notantaniny ny taona 2019. Tsikaritra tamin’ny fihetsiny sy ny endriny ny tsy fananana tahotra firy, ary toa teny somary mbola miendrika tsindrom-paingotra ho an’ny fitondrana aza no nataony, izay nitanisa ireo dosie maloto maro iniana ampanginina. “Tsy nanodinkodim-bola tao amin’ny CNaPS, na nanondrana volamena, na nanondrana boaderozy, na tsenabarom-panjakana tsy ara-dalàna, na panier garni,… no niantsoana fa ny fanomezana “prime” solompenakoho tamin’ny taona 2019 ho an’ny mpiasan’ny Antenimierandoholona rehetra tamin’izany”, hoy i Rivo Rakotovao. Nanazava ny lalàna mifehy ny maha ara-dalàna izany no tena natao tany amin’ny Bianco tamin’ny ankampobeny, hoy izy, izay naneho fa voafehin’ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana hatreto. Nomarihiny kosa ny fisiana olona nidongy kely, hono, fa kely ny azy, nidongy tsy nety niasa fa izy lasa volomboasary. Jereo ny taloha, jereo ny minisitera hafa fa toa efa mba fanao ihany izany ny fizarana solopenakoho, hoy i Rivo Rakotovao.
TSY AFAKA HESORINA NY AMBADIKA POLITIKA
Nilaza i Rivo Rakotovao fa tsy nangalatra, ary tsy mieritreritra ny handositra, hatramin’izay telo taona tsy nitondrana izay hatramin’izao. Momba ny ahiahy amin’ny ambadika politika, matoa tonga eto ireo namako, eo ny TIM, eo izahay HVM, dia tsy afaka hesorina ao anatin’ny saina ny ambadika politika. Hita be dia be tamin’ity fitondrana ity fa indraindray ary mampahalahelo sanatriavin’ny fitenenana toa atao fitaovana politika hamonoana ny tsy mitovy fitenenana ny fitsarana. Enga anie tsy ho izany, fa raha izany no izy dia ho potika ny firenena. Mikasika ny hoe iza no nitory, dia “tsy fanatratra, hono, tsy azo tenenina hono” no valiny azo, hoy i Rivo Rakotovao. Nilaza ho mipetraka ambany lalàna, ka andrasana ny tohiny, fa raha misy tohiny, dia mandeha dingana makany amin’ny HCJ (Haute Cour de Justice), mandalo any amin’izay andalovany any. Eo ambany lalàna daholo, fa mangataka fanadihadiana ara-drariny, fitsarana ara-drariny,… ny fitsarana izay manampahefana satria adidy lehibe izany. Nomarihiny fa efa betsaka mantsy ny tsindry mivoaka eto amin’ny firenena amin’ny fitsabahan’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny fitsarana. Tsy mamorona aho, hoy izy, fa zavatra efa hita izany, misy porofo betsaka toy ny hoe: misy raharaha tsy mihetsika mihitsy, ary misy 18 ora dia efa tonga any amin’ny fitsarana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap