airtel

Politique

04-juil-2022

Politique

Rivo Rakotovao teny amin’ny Magro “Hijoro hiara-hanavotra ny firenena isika”

Sample post image

Nakamban’ny fanoherana ny Fitondrana Rajoelina ny TIM sy ny HVM, ary samy maneho fa tena ilaina mijoro hanavotana ny firenena.

04-juil-2022

Nifandray tanàna naneho fiombonana imasom-bahoaka tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka ny Filoha Nasionalin’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana sy ny mpandrindra Nasionalin’ny HVM Atoa Rivo Rakotovao. Ireo antoko ireo izay samy mpikambana ao anatin’ny Vondron’ny mpanohitra RMDM, ary miray feo ao anatin’ny fanaovana fikaonandoham-pirenena hametrahana lamina sy fitsipi-dalao ara-politika sy ara-demokratika mialohan’ny fifidianana. Samy miaiky fa tena latsaka an-davaka ny firenena. “ Voalaza fa hendry ny vahoaka Malagasy, kanefa sao dia malemy”, hoy i Rivo Rakotovao.Izay no hijoroan’ny mpanao politika, ny vahoaka mahantra,… koa adidintsika mpanao politika no manarina ny ho avin’ny firenena”, hoy izy. Notsipihiny kosa fa tena nisy ny zavatra tsara nataon’ny TIM sy ny hafa fony teo amin’ny Fitondrana. “Ny tantara tsy fanadino, mahafinaritra ary tsy azo fafana satria nisy maro, nisy marika, nisy fotoana fantatra, tsy azo disoana ny tantara na ezahin’ny mpitondra amin’izao aza ny milaza isan’andro isan’andro fa ny teo aloha no lesoka, ka ianao izao no eo koa ny tsy ataonao izay ataonao”, hoy i Rivo Rakotoavao. “Ny hoavintsika no tena hiarahana, latsaka an-katerena ny firenena, ka isaorana ny TIM tsy nisalasala niantso. Mety sahirana ny mpijery hoe: toa hatramin-dry zalahy HVM r’ingahy Rakotovao no mijoro miaraka amin’ingahy Ravalomanana ka fa maninona no tsy hijoro? Fa havelantsika ho an’iza ny firenentsika? Isika nambin’Andriamanitra, nomeny tombony ho afaka mitondra anjara biriky, ka izay no hijoroana. Amin’ny anaran’ny HVM sy ny Filoha mpanorina azy, mety nisy ny tsy nitovizana fa ny firenena no hitovizana, aleo ho any ny tsy fitovizana, tsy avelantsika ho tahaka izao i Madagasikara. Mazava be ny làlantsika, hanangana ny ho avy isika”, hoy i Rivo Rakotovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap