airtel

Politique

13-juin-2022

Politique

RMDM Diaspora « Mba tsarao koa ireo dosie maloton’ny Fitondrana »

Sample post image

Namoaka fanambarana eo anatrehan’ny fiantsoan'ny BIANCO an'Andriamatoa Rivo Rakotovao, filohan'ny Antenimierandoholona teo aloha no sady Filoha vonjimaika nandritra ny volana vitsivitsy araka ny voafaritry

13-juin-2022

ny lalàmpanorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny RMDM Diaspora. « Ilaina ary angatahan'ny maro tokoa ny hisian'ny mangarahara, indrindra fa momba ny fitantanana sy fandaniana ny volam-panjakana…. Maro kosa anefa ireo raharaha goavana sy heverina fa maika, mahakasika ny fanararaotam-pahefana sy ny fanodikodinam-bola na fangalaram-bola mihintsy, izay eo am-pelatanan'ny BIANCO sy ny sampan-draharaha samihafa hatry ny fotoana elaela », hoy izy ireo. Tsy ahenoana akony intsony, hoy ny RMDM Diaspora, izay nampahatsiahy dosie miisa 13 izay ampahany ihany, mahakasika ny mpitondra ankehitriny ny ankamaroany, toy ny fanaovana amboletra mba hirosoan’ny fifidianana filohha ny 2018 na dia marobe aza ny tsy fahatomombanana notoherin’ny maro an’isa. Io no nahatonga ny fisian’ny hala-bato goavana, ary tsiahivina fa nanao filazana ofisialy ny filoha lefitry ny CENI mikasika izany, hoy ny fanambarana. Teo ny mbola nampiasana ihany ny lisi-pifidianana feno hosoka nandritra ny fifidianana taorian'ny taona 2018, ny tsy fanajana sy ny tsy nampiharana ny fanaraha-maso ny vola nampiasain'ireo kandida rehetra. Ny fandaniana ny volam-panjakana izay nozaraina tamin'ireo governora; fanodikodinam-bola momba ny resaka "bonbons-sucettes" sy "écrans plats" izay fangalaram-bola sy fanaparam-pahefana (abus de pouvoir) nataon'ny tompon’andraikitra ambony sy ny vadiny ; ny raharaha SMMC resaka kolikoly goavana tany amin’ny seranantsambon’i Toamasina; fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika nataon'ny vadin'ny mpitondra fanjakàna iray (abus de pouvoirs, détention illégale et utilisation d'arme de guerre). Ny fitantanana ny volam-panjakana fanampiana avy any ivelany natokana hisahanina sy hiadiana tamin’ny covid-19 ; ny fanondranana volamena73kg tany Afrika Atsimo, tany Comores, ny tany Seychelles ; ny fanodinana ny volan'ny CNAPS ; ny fividianana sy fanafarana ary fampidirana an-tsokosoko fitaovam-piadiana mahery vaika,… Azo atao tokoa ny manadihady ny fomba nitantanana ny Antenimierandoholona. Nilaza kosa ny RMDM Diaspora fa talanjona ny maro ankehitriny ary mametra-panontaniana hoe fa ahoana ny tohin’ireo raharaha rehetra hafa ireo ?
Legende: Nahoana moa no tsy misy tohiny mihitsy ny raharaha “bonbons sucettes” nahavoarohirohy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena tamin’ny 2020 ? (Tahirin-tsary)
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap