airtel

Politique

15-oct-2021

Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Mpitondra fanjakana no ilainay miady hevitra aminay”

Sample post image

Nandefa taratasy aty aminay ny tale jeneralin’ny ORTM, Belalahy Jean Yves Evariste, hoy ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara tetsy Bel’air omaly,

15-oct-2021

 fa sokafana ny ady hevitra ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ka hanasana ny mpanohitra. Araka ny fehin-kevitra nataon’ny RMDM ny amin’ny hanokafana ny haino aman-jerim-panjakana dia hisaoranay ny fanapahan-kevitr’andriamatoa tale, hoy ny filoha lefitry ny RMDM, Tsarahame Edouard. Indro kely ny toetra sy fomba amam-panao izay mamoha henatra dia taratra eny an-tsefatsefany eny ihany satria mbola tsy ilay foto-kevitra tokony hifampiresahana no atao fa fandripandrika amin’ny fanaovana politika eto an-tanana. Izao no voasoratra ato, hoy ny RMDM. Ho tohizana sy hosokafana ny ady hevitra eto amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Noho izany dia manasa anareo ato amin’ny RMDM izahay eto amin’ny televizionim-pirenena. Ny TRMDM no tompon-kevitra hanasa ny RMDM hiady hevitra. Ny TRMDM no manasa ny RMDM hiady hevitra ao amin’ny televizionim-panjakana. Tsy ny governemanta na fitondram-panjakana fa TRMDM no mandeha hanaovan’ny tale jeneralin’ny ORTM sonia fa miantso ny RMDM. Gaga izahay raha ny Tena rodoben’ny mpanohitra no miantso ny rodoben’ny mpanohitra. Ny talen’ny ORTM no manao sonia. Inona no hevitr’izany? Izahay aza izany tsy tena RMDM fa ilay tena RMDM indray no miantso ny RMDM fa tsy ny mpitondra fanjakana hiady hevitra. Raisinay ho voninahitra lehibe ny fanokafana ny TVM fa raha ho sokafana ihany io dia ataovy tonga eo ny fitondram-panjakana izay toherinay. Izay andefasana taratasy aty ary ny mpitondra fanjakana no mandefa ny olony dia izahay koa no mandefa ny olonay fa tsy ny tale jeneraly no misafidy ny olona avy aty aminay. Tsy olona mpisolelaka ny aty ka ny tale jeneraly no hiantso azy fa ny asan’ny TVM dia mpanelanelana satria mpanao gazety. Tsy zazakely politika no eto ka hanaovanao toetra tsy zaka toy izany ry tale jeneraly. Fantatra ao anatin’ity taratasy ity ny ao an-dohanareo ka miala tsiny fa tsy ho ekenay ny toetra ratsy toy izao. Raha tena hanao ianareo dia ataovy eo ny mpitondra fanjakana ho hitanay, hoy hatrany ny RMDM, nanda ny fanasana an-kolaka sady niantso ady hevitra amin’ny tena mpitondra fanjakana. Ny tena mpitondra fanjakana no ilainay miady hevitra aminay fa tsy hafa, hoy izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap