airtel

Politique

18-févr-2022

Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Ravao faran’izay haingana ny governemanta”

Sample post image

Ravao faran’izay haingana ny governemanta, hoy ny avy eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM, tetsy amin’ny foibeny etsy Bel’air omaly.

18-févr-2022

Raha ohatra ka sarotra izany, hoy ny filoha lefitra, Edouard Tsarahame, dia ireto misy lafiny maromaro atolotray entina mandrava azy. Manana parlemantera isika. Nomen’ny lalana hametraka fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireo solombavambahoaka. Tokony atao faran’izay malaky izany, raha tsy hoe mpiray tsikombakomba amin’ny governemanta koa ny parlemanta. Manana mpitandro filaminana isika izay “dernier Rampart de l’Etat” na andry iankinan’ny firenentsika farany. Tsy aiko na mbola fiteny any amin’ny tafika ny hoe tsy miamboho adidy aho “mon général”. Raha mbola misy izany teny izany any ka mbola misy manam-boninahitra mijery ny firenena sy ny vahoaka Malagasy dia mitsangana ianareo hanarina ity firenena ity. Latsaka an-katerena tanteraka ny firenentsika. Miantso ny rehetra izahay mba hanaovana fikaonan-doha mialohan’ny fifidianana hanarenana ny firenena fa tsy mahay mitantana ny mpitantana. Tsy mijery ny tombontsoam-bahoaka fa werawera fotsiny no ataony, hoy hatrany ny RMDM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap