Efa vita ny azy fa isika dia tompon’adidy mba hanome “hasina” izany ra latsaka sy aina nafoy izany amin’ny alalan’ny fifankatiavana sy firaisankina. Tsy nisy nivoy fisarahana mihitsy izy ireo ary nampiseho fiombonana am-po. Ho fanomezam-boninahitra sy ho fahatsiarovana azy ireo, 75 taona aty aoriana, ny Roso ho an’ny demokrasia sosialy dia mihevitra fa toa azy ireo, ny tsirairay no miroso amin’ny fanavotam-pirenena. Mahafoy ny aminy ho an’ny firenena. Tsy ianteherana amin’ny hafa izany, tsy iandrasana mpitondra, noho ny fo sy fitiavana ny taniny sy ny taranany. Mino fa tsy fihetsiketsehana marevaka no sitrak’ireo raiamandrenintsika ireo anio raha teo izy fa fo mitempo fitiavana, fo madio, fo entanim-pinoana tsy azo ahontsana fa ho avotry ny firenena ary tsy avy amin’ny vahiny fa noho ny ataon’ny zanany. Manameloka ireo mahasahy manao ratsy eto amin’ny firenena amin’ny alalan’ny halatra, ny fanararaotam-pahefana, ny fanararaotana ny fahantrana sy ny tsy fahalalana ireo mikasa ny hampisara-bazana ny samy Malagasy. Mampahatsiaro fa ny soatoavina Malagasy dia ny “fanahy” no maha olona fa tsy volamena na harena mihoam-pampana. Fepetra takiana amin’ny rehetra izany, indrindra, manoloana ny sedra sy ny fanamby tsy maintsy atrehina ankehitriny ho fampandrosoana an’I Madagasikara, hoy hatrany ny RDS.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny RDS, Fetison Rakoto Andrianirina
Mino sy vonona ary tena hijoro hanavotra ny Firenena haka fahefana, io no baikom-pitolomana nomen’i Marc Ravalomanana ho an’ny mpikatroka TIM sy ny vahoaka nandritra ny fanombohana ny fankalazana ny faha-20
Nakamban’ny fanoherana ny Fitondrana Rajoelina ny TIM sy ny HVM, ary samy maneho fa tena ilaina mijoro hanavotana ny firenena.
Misy isaky ny faritany, faritra, distrika, kaominina, hatrany amin’ny fokontany, ary sahinay ny miteny fa mbola misy daholo ireo rafitra ireo manerana an’i Madagasikara,
Toerana masina ho an’ny Antoko TIM ny Kianjan’ny Magro Behoririka izay nomena ny anarana hoe: “Kianjan’ny finoana”, hoy i Dr Ignace Randriamamizafy mpikatroka ao anatin’io antoko io, mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha.
Isan’ireo nanamarika ny Antoko TIM, niara-nanangana io antoko io niaraka tamin’i Marc Ravalomanana tany amin’ny 20 taona lasa Atoa Raharinaivo Andrianatoandro.
Tena tsy te ho eo amin'ny toeranareo aho ry mpitondra fanjakana isany, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Mahery Lanto Manandafy.