airtel

Politique

08-août-2022

Politique

Ry Badodan’i Mahajanga “Leo anao izahay prezida, mialà ianao…”

Sample post image

Niparitaka nandrakotra ny tambazotran-tserasera ny horonantsary fohy, nalaina tahaka tamin’ny fihetsiky ry “Badoda” na ireo tovolahy nanao teny fihantsiana tamin’ny tambajotran-tserasera,

08-août-2022

fa endrika politika kosa no nanehoana azy tamin’ity indray mitoraka ity. Andian-jatovo, lehilahy maromao nanao saron-tava, manao t-shirt tamin’ny propagandy nahitana sarin’ny kandida Ravalomanana, sarin’ny kandida Rajaonarimampianina, ary sarin’ny Kandida Rajoelina no nitondra hafatra hafakely. “Leo anao izay tanoran’I Mahajanga Atoa Filoha, leo ny fitapitaka nataonao. Manomboka androany, amin’izao andro itenenanay androany izao, izahay tsy mila anao miteniteny intsony amin’ity firenena ity. Ianao mpamita-bahoaka, prezida lany tamin’ny fangalaram-bato, manomboka androany dia rafilahinao izahay. Porofoinay eto androany fa tsy ilanay ianao. Miala ianao prezida, ianao tsy ilainay”, hoy izy ireo. Notsoahin’ilay lehilahy nanao ny T-shirt Andry Rajoelina noho ilay fanamiana misy ny sarin’ny Filoha ankehitriny, norarahan’izy ireo lasantsy, ary dia nodoran’izy ireo sady mbola narahina teny hoe: “miala ianao prezida, ianao tsy ilainay”. Hafatra mafonja, ary misy dikany goavana ireny. Endrika iray maneho fa misy ny olona tofoka amin’ity Fanjakana ity, na voizin’ireo mpitondra aza fa matoa ny olona tsy midina an-dalambe dia resy lahatra amin’ny ezaka sy fampandrosoana entin’ny Fitondrana. Tsy afaka ny hidina an-dalambe satria hiantrana ny basy aman-tafondro, ka dia fomba hafa no hanehoan’ny olona izany, fihetsika izay efa fahita any ivelany rehefa tsy faly amin’ny mpitondra ny olona. Taorian’ny fihetsika ankihiben-tanana nidina na “pousse inverse” nisamborana ilay lehilahy teny amin’ny By Pass, dia fihetsika hafa kely maneho tsy fahafaliana amin’ny fitondrana indray ity nation-dry Badodan’I Mahajanga ity. Matoa nisaron-tava ireo zatovo, mety misy ihany ny tahotra amin’ny mety ho fisamborana. Hokarohina sy holazaina fa maniratsira ny Filoham-pirenena ve izy ireo?

Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap