airtel

Politique

21-juin-2022

Politique

Savorovoro tany Nosy be Olona 8 nosamborina, misy ireo naratra

Sample post image

Miha mangotraka ny toe-draharaha ao Nosy Be Hell Ville eo anatrehan’ny fanagadrana an’i Ninie Donia. Ity mpanakanto mpanjakavavin’ny salegy,

21-juin-2022

mpanao politika mpitarika ny RMDM any an-toerana ary efa kandidan’ny Antoko TIM tamin’ny fifidianana depiote ity, filohan’ny Fikambanana Zafiny Fotsy,… izay naiditra am-ponja vonjimaika nanomboka ny 16 jona lasa teo. Raharaha ady tany no hanenjehana azy. Tsy izy irery fa am-polony izy ireo no nogadraina vonjimaika. Ampangaina ho mibodo tanin’olona, mizara tanim-panjakana sy tanin’olona, misoloky,… Efa hatramin’ny taon-dasa kosa no nijoroany niaraka tamin’ireo vahoaka tarihiny nanohitra ny ambaran’izy ireo fa fibodoana tany sy fivarotan-tany atao amin’ny mpanam-bola na vahiny io na teratany. Nisy mihitsy ny fisamborana saingy navotsotra noho ny hetsika nataon’ny vahoaka, saingy io nalefa any am-ponja io. Ny ampitson’ny nanagadrana azy ny 16 jona teo, nisy ny diabe nataon’ireo vahoaka mpiara-dia aminy sy ireo mahatsapa fa tsy rariny ny atao azy. Nanao filaharam-be nanatona ny fonja itazonana an’i Ninie Donia. Nitohy omaly 20 jona indray anefa izany, ary nitombo avo roa heny miohatra ny tamin’ny andro voalohany nanaovana ny hetsika ny isan'ireo mpilahatra niazo ny fonja. Diabe am-pilaminana narahina fiaraha-miredona ny hiram-pirenena no voalaza fa nataon’ny olona, nitaky ny hamoahana ity mpanao politika ity. Na izany aza, nisy olona 8 nosamborina ka ny iray amin’ireo dia ny Filoha lefitry ny Antoko TIM any an-toerana, raha ny vaovao vonjimaika azo omaly hariva. Nisy ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana naratra raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana satria naherihery vaika ihany ny fihetsiky ny mpitandro filaminana.Ankoatra ny hetsika tany Nosy be moa, dia efa maro ny fanamelohana ara-politika sy fitakiana ny famoahana azy. Tratry ny kiana mivaivain’ny vahoaka ao Nosy Be ny Fitondram-panjakana. “Aiza ve olona vao avy nivavaka nanagadra olona miaro sy miady ho an'ny madinika”, hoy ireo mpitaky ny famoahana an’i Ninie Donia. Ny alakamisy izao moa no fotoana voafaritra fa hiakarany fitsarana ka andrasana ny tohiny.


Ankoatra ity raharaha ity, mitombo ny olana ara-tsosialy ao Nosy Be. Henjana ny delestazy, mirarakopana ny fanafihana mitam-piadiana izay tsy dia mpiseho any amin’ity Nosy kely manan-karena ara-pizahantany ity. Mitombo ny fahatezeram-bahoaka!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap