airtel

Politique

08-août-2022

Politique

Sefo fokontany boriboritany fahadimy “Melohinay ny fanosoram-potaka an’i Naivo Raholdina”

Sample post image

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ireo sefo fokontany miisa 27 sy ny lefiny ao amin’ny boriboritany fahadimy fa tsy mitombona ny filazan’ny solombavambahoka,

08-août-2022

Fetra Ralambozafimbololona, teny amin’ny CCI Ivato fa ny sefo fokontany rehetra dia maka vola mihoapampana amin’ny fanaovana taratasy fa io sefo fokontany iray an’Analamahitsy tanàna, Randrianantoanina Ny Andrianina ihany no saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay hamarara tsy nanara-dalana izany ka rehefa nataon’ny tomponandraikitra ny fanadihadiana rehetra dia izao izy natsahatra tamin’ny asany izao. Rehefa nanao fanadihadiana tamin’ny fokontany hafa miisa 26 ny tomponandraikitra dia nahita fa tsy nisy nahitana izany fakana mihoam-panpana izany ny fokontany hafa, hoy ity fanambarana ity. Rehefa nandeha niala sasatra tany am-pitan-dranomasina io sefo fokontany Analamahitsy tanàna teo aloha io dia naverin’ny fokontany ilay vola 600.000Ariary nalainy tamin’ny rahalahin’ny solombavambahoaka, Fetra Ralambozafimbololona, ary misy taratasy ara-dalana izany. Tsy mitombona ihany koa ny filazana fa notazonin’ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, ny telefaoniny nandritra ny fivoriana farany niarahana taminy sy nanaovana herisetra azy fa izahay sefo fokontany rehetra mivory miaraka amin’ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, dia mamono finday avokoa dia mametraka avokoa eo amin’ny mpitandro filaminana sy mpitan-tsoroka na “assistant” ary manao fanamarinam-pahatongavana ka rehefa vita ny fivioriana dia samy maka ny telefaoniny avokoa izay mivoaka amin’ny toeram-pivoriana ka tsy mbola nisy telefaonina very na notazonina nandritra izay taona maro naha sefo fokontany anay ka niarahana nivory tamin’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina. tsy nisy koa ny fifamaliana tamin’izy mirahalahy na resaka hafa manokana teo amin’izy mirahalahy ankoatran’ny fampahafantarana ampahibemaso ny fitoriana azy teny anivon’ny fiadidiana ny repoblika ary hamafisinay vavolombelona fa tsy ny solombavambahoka no mitazona telefaonina rehefa mivory izahay fa ny “assistant” na ny mpitandro filaminana no mitazona izany. Melohinay ny fanosoram-potaka sy filazana vaovao tsy marina ahely amin’ny tambazotran-tserasera samihafa handotoana ny solombavambahoaka Naivo Raholdina amin’ny zavatra tsy mitombina. Lavinay ny fanambaran’ny solombavambahoaka, Fetra Ralambozafimbololona, fa ny sefo fokontany rehetra dia maka vola mihoam-pampana tahaka ny nataon’io sefo fokontany Analamahitsy. Ambaranay fa tsy mpikambana ao anatin’ny fokontany 27 intsony ny sefo fokontany teo aloha izay efa natsahatra tamin’ny asany ary tsy tomponandraikitra amin’izay ataony izahay ary tsy miaro azy ihany koa aminin’izay heloka vitany tany, hoy hatrany ity fanambarana voaray ny sabotsy teo ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap