airtel

Politique

12-nov-2021

Politique

Siteny Randrianasoloniaiko “Hampahafantatra ny zava-bitako aho amin’ny desambra ”

Sample post image

Sarotra ho an’ny firenena tsy manana tantara no iantsoana azy hoe firenena, hoy ny filohan’ny vondrona afrikanin’ny taranja haiady Judo na UAJ, Siteny Randrianasoloniaiko nilaza ny maha zava-dehibe ny tetikasa “Nampoina”

12-nov-2021

, izay sarimihetsika an-dalam-panatontosana amin’izao fotoana izao ary mitantara amin’ny endriny mifanaraka amin’ny toetr’andro ny tantaran’ny mpanjaka Andrianampoinimerina. Manamarika ny maha Malagasy io, hoy izy, fa ny ankabeazan’ireny moa tsy voasoratra dia lasa tsy misy lanja. Mampidi-bola ho an’ny firenena ny fanoratana ny tantara. Raha tsy misy ireo profesora maromaro nanapa-kevitra hanoratra tantara tahaka izany tsy ho hita ny harena ao anatiny. Izaho manokana nihaino an-drizareo dia voambolana tsy latsaky ny 10 isa angamba sambany vao henoko. Ny volana desambra izao aho no hampahafantatra amin’i Afrika iray manontolo na izao tontolo izao mihitsy ny zava-bitako tao anatin’ny fotoana fohy, raha resaka UAJ kosa indray. Raha tsy hiteny fotsiny aho hoe nandritry ny taona maro dia mpitsara lalao iray ihany no solontenan’I Afrika manerana izao tontolo izao. Tao anatin’ny fotoana fohy dia efa miisa 8 ireo mpitsara afrikanina lasa iraisampirenena. Raha miisa 2 teo ny fifaninanana iraisampirenena dia efa lasa 5 eto Afrika. Tamin’ity koa no nananganana ekipa afrikanina ho vatsiana ara-pitaovana vola hifanintsana amin’ny Paris 2024. Efa manomana sahady ny Los Angeles 2028 izahay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap