Izy moa dia manatrika ny fiadiana izay ho tompondaka erantany amin’ny taranja Judo any Tashkent – Ouzbekistan amin’izao fotoana. Matotra ny fikarakarana, hoy i Siteny ary niarahaba ny filoha Shavkat Mirziyoyev aho noho izany sy ny fandresena miezinezina azon’i Ouzbekistan.Mialohan’izao moa dia efa nihaona tamin’ny Praiminisitr’ity firenena ity Atoa Abdulla Oripov sy ny mpikambana maromaro sy ny mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta i Siteny R.voaresaka ny fanatanjahantena fa nisy ihany koa ny resaka mahakasika ny mafiny ara-toekarena sy fifanakalozana traikefa.Tombosoa ho ahy, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko ny nahita ny « modèle économique » ampiharina aty indrindra amin’ny sehatry ny indostria sy ny fandraharahana.Hitodi-doha ho dy an-tanindrazana amin’io herinandro ambony io i Siteny R satria hanatrika ny fivoriana ara-potoana faharoa an’ny antenimieram-pirenena ; andrasan’ny mpanara-baovao ihany koa izay fanehoan-kevitra na fanazavana ho entiny manoloana ny tafa nataon’ny tamin’ny mpanao gazety tany Nairobi – Kenya momba ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2023.
Toky R
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,