airtel

Politique

02-mars-2021

Politique

Soamandrakizay - Nandraisana ny Papa Ny Katolika ihany no afaka mampiasa azy

Sample post image

Soamandrakizay, raha tamin’ny septambra 2019 no nanakoako izany anaran-toerana izany,

02-mars-2021

 

 

 nandritra ny fitsidihana apostolika notanterahin’i Papa Fransoa teto Madagasikara ka nihaonany tamin’ny tanora sy nitarihany sorona masina lehibe. Tato anatin’ny herinandro izao, dia miveriverimberina heno amin’ny haino aman-jery sy an-gazety ary amin’ireo tambazotran-tserasera sosialy io toerana io. Teo ny nanambaran’ny Prefen’Antananarivo folo andro lasa izay fa afaka ampiasain’ireo depiote ao amin’ny Miara-Manonja, hanaovana tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo rehefa tsy azon’ireo natao ny nanatanteraka izany tao amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo. Namerina nanao taratasy niantefa amin’ny Prefen’Antananarivo ireo depiote ao amin’ny Miara-Manonja ny fiandohan’ny herinandro lasa iny fa hanao tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo eo amin’io toerana eo Soamandrakizay io, ny sabotsy 6 martsa ho avy izao ; ary dia efa mandeha ny fizaram-baovao miaro fanentanana ataon’izy ireo ho fiomanana sy fiatrehana izany. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fiangonana Katolika, tamin’ny alalan’ny monsenera Vikera Jeneraly Diosezy Antananarivo Rabenatoandro Ludovic, omaly, izay nanipika mazava sady hentitra fa tsy azo anaovana hetsika afa-tsy an’ny Katolika irery ihany ny kianja nandraisana ny Papa Ray Masina Fransoa eo Soamandrakizay, Boriborintany faha-5 Antananarivo Renivohitra. Nanentana ny rehetra ihany koa ny fiangonana Katolika mba tsy hampiasa ka hanaparitaka ny sarin’izany toerana izany amin’ny haino vakijery sy ny tambazotran-tserasera sosialy.

Jean D.

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap