airtel

Politique

29-juil-2022

Politique

Solika,volamena, gadra… Tena Fanjakana Rabemanjavona

Sample post image

Nanjavona, tafaporitsaka indray ihany koa ilay gadra iray isan’ireo telo nandositra tao amin’ny Fonjan’Ambalatavoahangy ao Toamasina ny andron’ny alarobia 27 jolay 2022 tokony ho tamin’ny 12ora sy 15 minitra. Minitra vitsy taorian’ny fandosirana no tratra izy, raha toa ka tafaporitsaka ny roalahy rehefa avy nandratra sy naka ny basin’ny mpiambina izay notsatohan’izy ireo vy maranitra, naka an-keriny moto-n’olona nahafahan’izy roalahy nitsoaka.

29-juil-2022

Ilay iray voasambotra kosa notazonina tao amin’ny “violon” an’ny Kaomisarian’ny Boriborintany voalohany ao Tanambao Toamasina. Mahagaga sy mahatalanjona anefa, fa dia voalaza fa tafaporitsaka tsy hita popoka indray ity hany tokana mba voasambotra antsoina hoe: hoe Rajoelison Jean Chris na Mainty. Omaly teo anelanelan’ny tamin’ny 3ora ka hatramin’ny 5ora maraina no nanjavonany. Niverina ho 3 izany ireo gadra nitsoaka karohana satria mbola tsy tratra Rafanomezantsoa Rawilson Berthin na Fano sy Alexandre na Babaique. Mahagaga sy mahavalalanina ny toe-javatra izay tena mipetraka ilay fanontaniana ankehitriny hoe: mbola tany misy Fanjakana ve eto? Miakatra ihany ny daozy sy ny lentan’ny toe-javatra mamohehitra: volamena any anaty vatan’ny minisitera manjavona sy mivadika korontam-by kanefa vitavita ho azy, volamena any anaty orinasam-panjakana voalaza ihany koa fa nanjavona, solika any amin’ny orinasam-panjakana an’aliny litatra manjavona, ny vola 5 tapitrisa Euros natao hanamboarana ny fiaramanidin’ny Air Madagascar tao anatin’ny 3 volana toa tsy hita izay nanjavonany, ny famatsiam-bola tamin’ny covid-19 moa toa tsy nazava ny fitantanana fa nanjaka ny Rabemanjavona, ny fiara novidiana tamin’ireny toa nanjavona tsy hay hoe: nankaiza,… Mbola tsy nisy hatry ny naha Madagasikara ny hoe: gadra 22 tsy hita tao am-ponja izany, raha tsy tamin’ny novambra 2021. Tsy resaka vaky fonja, fa mety nisy famoahana antsokosoko. Inona intsony izany no tsy manjavona eto? Ny mahagaga sy mahavalalanina, toa tsy misy tohiny sy ampanginina tsimoramora eny ireny. Izay raharaha mafampana maloto samihafa toa iniana ampanginina, ary ny Fanjakana mihitsy no toa ambadik’izany. Porofo iray mivaingana ny fikasana hanangana fanadihadiana parlemantera mikasika ny fampiasana ny volan’ny covid-19 saingy nanjavona. Tsy efa Fanjakan’ny Rabemanjavona ve izany eto Madagasikara ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap