airtel

Politique

07-juil-2021

Politique

Sorena amin’ny Bianco ny APM Fitoriana 8 volana tsy handrenesam-bokatra

Sample post image

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny Tale Jeneralin’ny birao mahaleotena misahana ny kolikoly eto Madagasikara na Bianco sy ny mpiara-miasa aminy rehetra I Rakotoarisoa Faniry Alban,

07-juil-2021

 filohan'ny Antoko Politika Madio, ary nanambara fa tsy afa-po amin'ny fiasan'ny BIANCO. Fitoriana miisa 2 izay no napetrakay teny aminareo tato anatin'ny 8 volana, hoy izy, saingy tsy nisy tohiny no tsy fantatra mazava hatreto ny vokatry ny fanadihadiana sy ireo izay tena atidoha niketrika ireo tranga kolikoly nosoratany tao anatin'ny fitoriana. Noho ny fifanajana dia nandefa “e mail” am-panajana anareo ny Sekretera Jeneralin'ny APM ny 27 may 2021 saingy tsy nisy valiny. Raha tsorina dia tsy fahavalo izahay, tsy hanangana ady amin'ny Bianco ihany koa sanatria fa amin'ny maha Antoko Politika mijoro ara-dalàna dia sarotiny amin'ny kolikoly mitranga eto amin'ny tany sy firenena. Mampametra-panontaniana ny zava-misy hoe mahaleo tena tokoa ve ianareo sa misy tsindry avy any ambadika fa tena mahasorena ny mitory kanefa tsy misy vokany mivaingana azo tsapain-tànana ny zavatra hita miharihary? Ekena, mety misy ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana fa tao anatin'ny 8 volana ve dia tsy nisy vaovao mikasika ireo fitoriana napetraka? Mbola mangataka am-panajana sy am-pitiavana ihany izahay ary tsy ho kivy, tsy ho sasatra ny hanoratra eto. Mba hisian'ny mangarahara dia ataonay ao anaty dika mitovy ireo mpanao gazety izay anananay ny mail mba hampafantatra izao vaovao izao ho an'izay rehetra mila azy fa tsy nahazo valiny mahafa-po aminareo BIANCO izahay antoko Politika Madio androany 2 jolay 2021 isika no miresaka. Ampiarahanay amin'ity “e mail” ity ny fitoriana napetrakay teny aminareo BIANCO, Samifin ary Csi tamin'ny 2 novambra 2020 mikasika kolikolim-pifidianana (laharana kara-panondro miverimberina), raharaha 8 miliara ariary tao amin'ny ministeran'ny Fanabeazana ary raharaha "écran plat" naha voatonona ny minisitry ny atitany. Ampiarahanay amin'ity “mail” ity ihany koa ny fitoriana napetrakay teny aminareo BIANCO ny 8 janoary 2021 mikasika fitoriana kolikoly tamin'ny fanondranana an-tsokosoko volamena 73,5 kg, hoy hatrany ny filohan’ny APM.
J. Mirija

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap