airtel

Politique

30-mars-2022

Politique

Tabera Andriamanantsoa Miantso ny miaramila handray ny fahefana

Sample post image

Isan’ireo nanatrika ny fotoam-pahatsiarovana ny Amiraly Ratsiraka teny amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe sy teny amin’ny Fasan’ny Maherifo Atoa Tabera Randriamantsoa omaly.

30-mars-2022

 Aminy, rariny sy hitsiny raha mahatsiaro ny fahalasanan’ny Amiraly Ratsiraka ny vahoaka Malagasy satria isan’ny nitondra ela ity firenena ity izany Antoko Arema izany. Ny “Accord de coopération” dia ny Filoha Ratsiraka no nahitana an’izany, ary na ny fahatsiarovana ny 29 martsa aza dia mbola izy no nitarika ny fankalazana an’izany, fa talohan’izay tsy nisy fahatsiarovana an’izany, hoy Atoa Tabera Randriamanantsoa. Mikasika ny toe-draharaham-pirenena kosa, nahitsy i Tabera Randriamantsoa nilaza fa mikorosy fahana fa tsy araka ilay tenin’ny Amiraly hoe: “Madagasikara tsy mandohalika”. Tena mandohalika izy izao, ka tokony hitsangana ny antoko politika rehetra mba hahatonga an’i Madagasikara tsy ho dobon-drano, izay asa na tratry ny velirano angamba k adobo, hoy izy. Niangavy ny fitondram-panjakana mba hijery ny fijalian’ny Malagasy ny tenany, izay naneho fa tena tsy araka ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana tsy misy, ny fampianarana tsizarizary, ny fahasalamana tsizarizary,… ka tsy mendrika sy tsy mifanaraka amin’ny ady sy tolona nataon’ireo Raiamandreny tamin’ny 1947. Madagasikara ho sambara araka ny hiran’ny MDRM (Mouvement Démocratique pour la Rénovation Malgache), ka nanamarihany fa tokony ho tonga saina ny vahoaka Malagasy. Niantso sy nitondra hafatra ho an’ny miaramila ihany koa Atoa Tabera Randriamanantsoa, ka nilazany fa miaramila dia natao ho an’ny tanindrazana, ka efa tsy izy intsony izao, tokony hitsanana ny tafika haka ny fahefana satria efa alohalika ny ranombary, ka izy ireo no manavotra ny firenena rehefa manafika tahaka izao ny fahasahiranan’ny vahoaka. Tokony tsy hisy izany fifidianana 2023 izany mihitsy raha tsy voalamina ny zava-drehetra, ka izay no mahatonga anay milaza fa tokony hisy fikaonandoham-pirenena handaminana ny zava-drehetra, hoy ity Mpikamban’ny Rodoben’ny mpanohitra RMDM ity. Aza manonofy izany raha ohatra ka fifidianana 2023 fa rotaka eto raha hisy an’izany. Mba hialana amin’io dia tokony hisy fandaminana ka isan’ny tompon’andraikitra ny miaramila satria izay no maha “ho an’ny tanindrazana” azy, hoy hatrany Atoa Tabera Randriamanantsoa omaly. Ankoatra izay, nambarany fa mbola misy ny tia tanindrazana fa tsy tonga eo amin’ny fitondrana izy, noho ny fitiavan-tanindrazana dia tsy afaka mangalatra izy hahatongavany eo amin’ny fahefana, fa ny vahoaka Malagasy no tokony hahay hijery izay tena tia tanindrazana fa tsy izay manao balaoasy sy mahay mikabary rehefa tonga ny propagandy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap