airtel

Politique

11-août-2021

Politique

Tabera Randriamanantsoa “Hararaotin’ny vazaha ny tsy firaisankinantsika”

Sample post image

Fantatry ny olona fa tsy manampahefana hanapa-kevitra avy any ambony ireo minisitrantsika, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana sady filohan’ny “Comité pour la reconciliation nationale” na CRN,

11-août-2021

 Tabera Randriamanantsoa, naneho ny heviny mikasika ny kabarin’ny filoham-pirenena ny alahady teo sy nampahatsiahy ny maha samihafa ny 10 aogositra 1991 sy ny raharaham-pirenena ankehitriny. Fositr’izany ny lalampanorenana izay manome fahefana lehibe ny filohan’ny repoblika, hoy izy. Na resaka ady tany na tsena na lalana dia any amin’ny filoham-pirenena avokoa no antsoina. Tsy ao anaty fandaharan’ny minisiteran’ny fanabeazana, ohatra, ny hanao sekoly manara-penitra amina toerana iray saingy efa anaty programan’ny filoham-pirenena ilay izy. Misy praograman’ny filoha nefa koa misy velirano 13. Mifanipatsipaka toy izany daholo ny raharaham-pirenena dia aty amin’ny minisitra no mifatratra. Ny fifampiresahana ihany na avy aty amin’ny mpanohitra na fiarahamonim-pirenena na mpitondra no handaminana izany. Marina iny tenin’ny filoham-pirenena iny hoe ho loza no hihantra amin’ity firenena ity raha tsy miray hina. Efa zava-dehibe ny fiantsoana fihavanana. Ny 10 aogositra 1991 dia nampalahelo satria efa nisy fifampiresahana sy fifanarahana nefa mbola misy ambom-pon’ny mpanao politika tamin’izay dia hoe hesorina amin’ny filoham-pirenena mihitsy ny fahefana rehetra. Lasa tany Iavoloha avy eo. Izaho moa nitarika ny Federalisma, Alain Ramaroson nitarika ny Herivelona Rasalama tamin’izany. Efa fantatra izao fa faritra mena io ary nitovy tamin’ny 2009 mihitsy. Ny nampalahelo dia ny madinika nafana fo no maty fa ireo lehibe nihatakataka. Mba tsy hiverenan’izany intsony no anaovanay antso avo amin’ny mpanao politika tsy hitarika olona amin’ny faritra mena intsony. Mila firaisankina isika hananganana ny firenena Malagasy satria hararaotin’ny vazaha izao ny tsy firaisankinantsika ary misy dian-tanany io Apollo 21 io, hoy hatrany ity filohan’ny CRN ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap