airtel

Politique

15-juil-2021

Politique

Tabera Randriamanantsoa “Tsy mandà hiditra anaty governemanta ny CRN”

Sample post image

Mirarakopana ny fanehoan-kevitra ara-politika ao anatin’izao toe-draharaha mifamahofaho eto amin’ny tany sy ny Fanjakana izao.

15-juil-2021

Resaka ny nitana ny sain’ny maro ny mety ho fanovana ny mpikamban’ny governemanta, ka samy manana ny ambarany ireo Etamazaoro politika samihafa. Manomboka maneho mivantana ny fahavonany hiditra na tsia ao anaty governemanta ny mpikatroka politika sasany. Manana olana be ny firenena, adidin’ny mpanohitra ny mikaroka vahaolana ihany koa, samy manao izay tandrify azy. Nisy ny fikaonan-doha nataon’ny mpanohitra, atolotra ny fitondram-panjakana io ka raha raisiny dia arahaba soa, arahaba tsara raha tsy raisin’ny filoha dia entina mitety faritra ka hazavaina amin’ny mpiray tanindrazana hoe izao sy izao no soso-kevitry ny mpanohitra mba hanavotana ny firenena”, hoy Atoa Tabera Randriamanantsoa, iray amin’ireo mpikatroka ao anatin’ny fanoherana tamina fampahalalam-baovao iray omaly. Ho an’ny CRN manokana dia fampihavanam-pirenena ihany aloha, araka ny foto-kevitra nijoroany hatramin’izany, hoy ity Politisianina ity. Na inona na inona atao eto dia tsy ho tafavoaka isika Malagasy raha tsy mihavana. Mila vahoaka miaraka miainga ny firenentsika. Tsy mandà ny hiditra anaty governemanta ny CRN raha voaantso. Misy fahasamihafana ny fomba fijery ny raharaham-pirenena fa tsy hoe mivaky akory ny mpanohitra, hoy izy. Manana ny fomba fijeriny ny TIM, dia manana ny azy ihany koa ny CRN, hoy I Tabera Randriamanantsoa. Ara-politika, isan’ireo nitondra fanakianana mivaivay ho an’ny Fitondrana ankehitriny indrindra ny Filoha manokana sy ny manodidina azy Atoa Tabera Randriamanantsoa. Isan’izany ny nilazany fa ananany dosie maro ny Filoha Rajoelina sy ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga, ary efa nisy ny fitoriana nataon’Itompokolahy Pr Zafy Albert momba izany. Mety hisokatra amin’Atoa Tabera Randriamanantsoa manokana ve ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany? Amin’ny politika dia tsy misy ny hoe: mpinamana na mpifahavalo mandrakizay ka samy manaraka izay ho fihodiny ny olom-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap
19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap