airtel

Politique

18-févr-2022

Politique

Tabera Randriamanantsoa “Voalohany tamin’ny fitondrana tsy misy ilàna azy ity”

Sample post image

Mijoro manatanteraka ny asan’ny mpanohitra ny RMDM, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa, omaly. Manome soson-kevitra ho an’ny firenena koa,

18-févr-2022

 hoy izy, satria iraisana ny firenena fa ny mpitondra fanjakana no be marenina tsy mandray ny soso-keviny. Tsy misy laoniny ny politika ankapoben’ny fanjakana. Balaoasy no ataony rehefa mahita vahoaka maromaro dia miteniteny eo hoe amboariko ny lalana Mahanoro, Nosy varika, Mananjary atao tara na “goudron”. Toy izany foana fa tsy misy zotra politika mipetraka amin’ny maha mpitondra. Fitondrana balaoasy ity. Tsy misy politika mazava ny fitantanana ny firenena. Tsy misy politikan’ny fampanana asa. Tsy misy hoe famoronana asa ho an’ny tanora hany ka lasa tontakely daholo satria tsy an’asa sy noana. Jereo ny politikan’ny fitantanana ny vidin-javatra fa tsy misy mazava. Miakatra daholo ny vidin-javatra ka tsy tantin’ny vahoaka intsony ny hiatrika izany. Ity fitondrana ity no voalohany tamin’ny fitondrana tsy misy ilana azy teto Madagasikara. Tsy manana fototra ho aleha. Tsy manana paikady hitondrana ny tany sy fanjakana fa dia mpitondra mipetraka eo izy dia manao izay zavatra hitany fa mahasoasoa ny fiainany sy ny fianakaviany. Mandeha ny fanondranana volamena isan’andro izao fa tsy misy tomponandraikitra tratra. Nanoso-kevitra ny filohan’ny RMDM hoe tsy maintsy atao ny fifidianana fa mialoha izany dia mila fikaonan-doham-pirenena handinihina ny zava-drehetra, ny olan’ny CENI, ny fipetrak’io HCC io. Ny filoha lefitry ny CENI milaza fa tsy ahafahana manao fanavaozana ny fifidianana ny lalana. Raha tsy voadinika izany rehetra izany dia tsy andeha amin’ny laoniny ny fifidianana amin’ny 2023.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Anio 16 aprily 2024 no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na

Card image cap
16-avril-2024

Isan’ireo antoko nanapa-kevitra handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko politika Otrikafo

Card image cap
16-avril-2024

Mbola misy ny antsojay amin’ireo tsy ao anatin’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana

Card image cap
16-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitetezana ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano tanterahin’ireo Kandida Solombavambahoaka

Card image cap
15-avril-2024

Ny sabotsy 13 aprily teo tetsy amin’ny Espace Fenitra Merimanjaka no nitondrana am-bavaka sy nanolorana ofisialy

Card image cap
15-avril-2024

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Olympia Ampitatafika ny sabotsy

Card image cap