airtel

Politique

27-janv-2026

TAHINA RAZAFINJOELINA

« Ny fanarahan-dalàna no mampandroso

Sample post image

fa tsy izay mandroso no manara-dalàna »

27-janv-2026

Nisafidy ny hilaza ny heviny momba ny fiainam-pirenena manoloana ireo antso sy fanontaniana maro be niantefa taminy tato anatin’ny 3 volana izao i Tahina Razafinjoelina filoha nasionalin’ny antoko Tia Ta-nindrazana. Fandaharana manokana nandeha tamina haino aman-jery sy pejy facebook maromaro no nanatanterahany izany ny alatsinainy 26 janoary 2026 nanomboka tamin’ny 9 ora alina.

MILA MANARA-DALÀNA
Mahitsy firesaka i Tahina Razafinjoelina na TR ho an’ireo mahalala tsara azy. Rehefa tsy vonona hanara-dalàna ny Malagasy dia tsy hisy fampandrosoana eto, hoy izy ary raha mbola tsy mahalala an’ny Madagasikara ny Malagasy dia tsy hisy famokarana handeha eto. Ny fanarahan-dalàna no mampandroso fa tsy izay mandroso no manara-dalàna hoy izy. Ny Malagasy resahana eto dia ny vahoaka, mpitondra fanjakana, mpanao politika, mpandraharaha. Taorian’ny fiovan’ny fitantanana teto amin’ny firenena dia tsy nandrenesam-peo mihitsy aho satria tena vanim-potoana saropady be ireny hoy i Tahina Razafinjoelina ka mila fitandremana ny ain’ny zavatra izay tenenina.Etsy ankilan’izay tsy fombanay ao amin’ny Tia Tanindrazana mihitsy manao kabary natao fotsiny hambaboana ny fon’ny olona na manao resaka « populisme ». Amin’ny alalan’ny asa izahay no mampiseho izay tokony atao sy tsy maintsy atao, ary tadidio fa ny mahafinaritra dia manimba ny mahasoa, hoy izy.

HEVITRA FA TSY OLONA
Mila mazava tsara hoy izy fa Tsy manohana olona ny antoko Tia Tanindrazana fa manohana hevitra, rehefa tompoina ny olona dia miova ny toetrany fa raha ny zavatra ataony ny tohanana dia mazoto miasa izy. Ary ny zava-misy ankehitriny kosa aloha dia efa hita ilay finiavana, tena hita mihazakazaka miasa ny governemanta satria ny avy any ambony no manome ohatra tsara. Delestazy, forage rano, ny resaka lalana efa hita hoe nihatsara RN2 sy RN4 hita izany hoe misy zavatra mivoatra eto.

MIHAINO, TANTERAHANA NY ASA
Mikasika ny fifandraisany amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny kosa dia nanambara i tahina Razafinjoelina fa hita hoe mihaino ilay fitondrana, ary tsy hoe mihaino fotsiny fa manatanteraka.Tsy resaka hoe baiko fa misy zavatra maharesy lahatra an’ilay fanjakana dia manao izy, tsara ny mifampizara hevitra mahasoa, hoy izy. Ny angovo azo havaozina izao noresahanay ary vinanay ao amin’ny antoko Tia Tanindrazana dia isaorana fa notanterahina, dia io hitantsika ion y fametrahana ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro manerana ireo oniversitem-panjakana. Mpampianatra eny amin’ny oniversite ny tenako ary nahatsapa tsara ny olan’ny mpianatra amin’ny tsy fisian’ny herinaratra lava izao. Izaho no nanipy ny hevitra jiro solaire ka noresahako tamin’Atoa filoha dia mety izany hoy izy dia natao ilay asa.

INDRO KELY
Na izany aza anefa misy ihany ny indro kely hoy ny nambarany satria misy ny antsoina hoe « isolation de palais » ; izany hoe voadidina olona vitsivitsy izay manakatona ny fifandraisana amin’olon-kafa ny Filo-han’ny fanavaozana. Io no tena fahavalon’ny fitondrana iray, io no mahatonga ny ady an-trano, io ihany koa no mahatonga ny fifaninanana, hoy i Tahina Razafinjoelina ary io no mahatonga ilay fahatokisan-tena diso tafahoatra hoe hoe vitantsika irery io, kanefa mety fandrika izany, hoy izy. Notohizany ny fanazavany mahakasika ny mpanao politika sy antoko politika, Ny antoko politika izany dia tokony mitondra vahao-lana tsy foronina fa efa nananany hatrizay, hoy i Tahina Razafinjoelina. Ny antokonay izao dia efa niteny hoe na hivadika any atsinanana na ho any andrefana isika rehefa tsy mahalala ny zavatra misy ao aminy sy iainany ny malagasy dia sarotra ny fampandrosoana .Mila manana vina ny antoko politika, iny no mivadika ho fandaharanasa dia lasa asa tanterahina, ary aparitaka sy tsinjaraina isam-paritra ny fahalalana vola ary fitaovana hanatanterahana azy.

FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA
!Tandremo sao diso hevitra isika hoy i Tahina Razafinjoelina, tsy mety ilay hoe andao ravana avokoa dia averina hatrany am-boalohany, na hanova impiry eo isika rehefa tsy vonona hanara-dalàna ny malagasy dia tsisy fandrosoana eto. Raha sanatria ve ianao miady mivady dia hoe aleo misaraka dia hanambady hafa indray dia hiteraka any indray, hoy ny sarisary nentiny nanazavany izany.Tena zava-doza no nisy teto hoy izy fa nozarina gaboraraka loatra ny olona satria te haka, ny mpitondra dia hoe aleo ny vahoaka hanao izay tiany ao.Mila mitandrina isika fa tsy maika ; Tsy maintsy mahalala ny tantara vao miteny. Tamin’ny 1972 efa nisy fikaonandoha natao , tamin’ny 1991 anie nisy , tamin’ny 2009 koa nisy fikaonandoha sy fakan-kevitra fa nahoana no miaina krizy hatrany isika ? Mila fantantsika tsara izay mety amintsika sy ny mila ataontsika fa tsy azo andrakandramana ny fiainam-pirenena. Ka hoe andao ny zavatra tsy mbola natao no atao. Mbola nampiany sarisary ihany ny hoe raha miady aman’olona ve ianao ka tsy mbola nanindrona antsy dia hoe andao tsindronina kely ny antsy aloha. Dia ahoana moa izany ? Tena mila fandinihina ny politika fa tsy hoe taitaitra eo dia manapa-kevitra. Ny azo antoka anefa hoy i Tahina Razafinjoelina dia mampandroso antsika ny fintsijaram-pahefana sy ny fitsinjarana ny volam-panjakana araka ny filan’ilay faritra.

FIFIDIANANA
Tsy atao tanjona tsy maintsy ho tanterahana ny hoe hilatsaka hofidiana Filoham-pirenena hoy ny filo-han’ny antoko Tia Tanindrazana .Tsy izany no tanjona lehibe indrindra.Misy dia milaza hoe niresaka tamin’ny olo-masina mihitsy fa hoe atao filoha, dia tena mahavalalanina. Ny antoko Tia Tanindrazana dia mba tsara toerana nahazo laharana faharoa tamina toerana ihany maro manerana ny nosy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo saingy tsy hoe mivavaka tsy maintsy filoham-pirenena. Tena mila jerena aloha ny fanatsarana io lisi-pifidianana io, nahoana moa raha asiana sarin’ny mpifidy tsirairay tahakany amin’ny karapanondro dia atao peta-drindrina isam-pokontany amin’izay hita eo hoe iza no iza, hoy i Tahina Razafinjoelina, fomba fiasa mangarahara izany. Nisintona ny sain’ny rehetra kely izy ary nilaza fa nisy hatramin’izay ny ampahan’olona tsy nifidy mihitsy satria kivy izy ireo. Olom-pirenena, tanora ireo, izy ireo ilay Gen Z. Any ho any amin’ny 42% na 43% n’ny mpifidy izy izany ireo,hoy izy.Ilay hoe 1er tour dia vita izany sarotra amin’ny zava-misy ara-politika eto, ary ny TIM sy ny HVM , mety ny TGV dia manana ny vatony manan-danja, ny vatny dia efa vatony.Ka raha misy kandida mahazo an’ireo 42% na 43% ireo dia tafiditra fihodinana faharoa izany kandida izany. NY MARINA Tsotra sady mazava no namintinan’i Tahina Razafinjoelina ny fanehoan-keviny ka hoy indrindra izy : « tsy mpila ranondranony no ilaina ka hoe hanafosafo ny fitondrana. Tsy hoe mamelaka koa anefa fa miteny ny zavatra marina.Tsy azo ariana ny marina raha te hampandroso firenena, fa ny lainga dia tsy maintsy ho tratra eny ihany, Ny marina dia marina hatrany.

Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap