airtel

Politique

19-août-2021

Politique

Tahirimbolam-panjakana Nesorina ny tale jeneraly, karama sisa vola mivoaka

Sample post image

Vaovao lehibe isan’ny nisongadina tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra omaly alarobia 18 aogositra ny fanafoanana ny didim-panjakana laharana faha- 2019-2217 tamin ny 11 desambra 2019

19-août-2021

 izay nanendry ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana eo anivon’ny Ministeran 'ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola na Directeur Genéral du Trésor auprês du Ministëre de l’Economie et des Finances », izay midika fa nesorina tamin’ny toerany ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana (Trésor) Atoa Ranjalahy Ihajambolatiana. Miato ny fandoavam-bola rehetra eo anivon’ny “Trésor public” ankoatry ny karama mandra-panendry ny Talen’ny “Trésor public” vaovao, hoy ny toromarika. Andraikitra goavana ny fikirakirana volam-panjakana, ary manaitra ny fanesorana ny tompon’andraikitra voalohany hoe : fa nisy inona ? Inona no antony ? Toerana sy andraikitra isan’ny saropady be eto amin’ny firenena rahateo io. Misy ifandraisany amin’ny nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola vaovao Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinarinarison ny alatsinainy teo ve fa betsaka ny fitantanana tsy mazava sy ny fanodinkodinana volam-panjakana ity fanapahan-kevitra voalohany noraisiny amin’ny maha minisitra azy ity ? Isan’ny nambarany fa fanamby apetrak’ity minisitra ity ny fanovana lafiny deontolojia na toe-tsain’ny mpiasam-panjakana, indrindra ireo tena miasa amin’ny fikirakirana ny volam-panjakana izay saropady. Mila hananana ny deontolojia mafy be, hiezaka hametraka izany mba hifanaraka amin’ny fandaniana volam-panjakana, hoy izy. Tsy maintsy hapetraka sy hamafisina ny fifatokisana mba hisy tamberiny amin’ny vahoaka. Miova andriana miova sata ve ka mandeha ny fanesorana noho ny fanamby vaovao sa antony hafa mihitsy? Samy miandry ny rehetra satria efa nilaza ihany koa ny Minisitry ny toekarena vaovao fa hampanao fanadihadiana mikasika ny fanodinkodinam-bola toy ny amin’ny lafiny karama sy ny fisotroan-dronono ka nanipihany fa hanaovana tatitra tsy ho ela izany. Mety tafiditra ao anatin’ny raharaha fanodinkodinana ve ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana matoa nesorina? Ny ampitso no hamaritra an’izany, fa ny tsy azo lavina aloha, dia manaitra sy mampametra-panontaniana rehefa olona mipetraka amina andraikitra goavana sy stratejika goavana toy ireny no hoe niongotra tamin’ny toerany.
Legende:Miato aloha ny fandoavam-bola rehetra ataon’ny “trésor” ankoatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana. (Tahirin-tsary)
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap