airtel

Politique

01-août-2022

Politique

Tahotra ara-politika Norakofana mpitandro filaminana ny Magro

Sample post image

Rakotra mpitandro filaminana zavon-tany indray teny amin’ny Magro Behoririka sy ny manodidina ny sabotsy 30 jolay 2022 teo.

01-août-2022

Vao maraina dia efa nahetsika izy ireo, hany ka tapaka tsy azo nifamoivoizana hatramin’ireo ampahan-dalana sasany teny an-toerana. Tsara ny manamarika, fa tsy nisy ny fanambarana ofisialy nataon’ny mpanohitra amin’ny saika hanaovana hetsika ny sabotsy teo, fa fivoriana politika nanasana ireo mpitarika politika samihafa no nisy teny Tsiazotafo ny sabotsy teo io. Tetsy andaniny kosa, ny zoma dia efa nilaza ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian fa hosakanana hatramin’ny farany raha misy ny fikasana hanao famoriam-bahoaka ao Behoririka. Ny ampitson’iny, tena noraisina ny fepetra nanetsehana ny mpitandro filaminana niambina ny fidirana tao amin’ny Magro, saingy tsy nisy andian’olona na mpanao politika nihaodihaody sy nikasa hitarika hetsika velively tao an-toerana. Nifanindran-dàlana tamin’io anefa, nahazo alalana soa aman-tsara ny hetsika famoriam-bahoaka ara-politika nataon’ny depiote IRD mivady tetsy amin’ny Kianja Maitson’Analamahitsy ny sabotsy teo. Any Ankazobe no misy olona hatrany amin’ny 30 mahery naripaky ny dahalo, efa zava-doza vao hahetsika ny tafika, fa ny etsy Behoririka vao maraina dia rakotra mpitandro filaminana, hoy ny olona. Toa ny Fanjakana indray eto no lalaovin’ny mpanohitra, ka raha vao tairiny kely dia efa mikorapaka manetsika izay hery rehetra azo hetsehina. Atonantonana eny amin’ny Magro hatramin’ny mpitandro filaminana noho ny tahotra sy hakanosana ara-politika? Izao ve sisa no endriky ny fitantanana firenena sy ny demokrasia nodradradraina fahiny?
Toky R


 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap