airtel

Politique

17-juin-2021

Politique

Tanàmasoandro Nanomboka omaly ny “Traçage Voirie”

Sample post image

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly teny Tsimahabeomby Imerintsiatosika ny “Traçage Voirie”

17-juin-2021

 

 

 

ho fanombohana ny tetikasa Tanamasoandro. Amina velaran-tany 982ha moa no voalaza fa hanaovana an’io. Ho hita ao anatin’ny ny Biraom-panjakana, trano fonenana, toerana fialam-boly,… Isan’ny nambaran’ny Fanjakana ihany koa fa eny no handraisana ny lalaon’ny Nosy 2023. Ny 700ha eo no voalaza fa tanim-panjakana ary manodidina ny 200ha mahery no an’ny mponina. Mitohy ny fifampiresahana amin’ny tompon’ny tany izay voakasika satria misy foana izany amin’ny amin’ny tetikasa lehibe tahaka izao, hoy ny Minisitry lefitra misahana ny toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao Atoa Zasy Angelo Christian. Trano 244/300 no an-dalam-panatanterahana raha 50 000 mahery no zakan’ny toerana. Ventesina hatrany, fa hitondra tombotsoa ara-toekarena, hanome asa ny mponina,… ny fananganana azy io. Ilaina ny zavatra tahaka izao saingy izany ve no maika? Tena hitondra tombotsoa ara-toekarena ve sa ho bizina an’olom-bitsy ? Asa mba aiza ho aiza ny hoenti-manana ara-bola amin’izany satria manodidina ny 6-10 miliara dolara eo ilaina amina tanàna vaovao izany? Tena mitombina ve ilay hovitaina roa taona sy tapany amin’izao fomba fiasa sy fitantanan’ny Fanjakana izao ?

 

Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap