airtel

Politique

05-mars-2021

Politique

Tanora RMDM Miantso ny tanora hanohitra ny jadona

Sample post image

Nanao fanambarana tetsy Bel’air omaly ireo tanora mpanohitra eo anivon’ny

05-mars-2021

 

 

 

Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara sy ny “Union des jeunes pour la révolution”. Tsapanay, hoy izy ireo, ankehitriny ny fangirifirian’ny tanora Malagasy satria tsy hita taratra ny hoaviny. Maro ireo nahita fianarana nefa firy amin’izy ireo no mba mahita asa na ny tsy nahita fianarana fa toa mirenireny fotsiny? Eo koa ireo tsy afa-manohy noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny. Misondrotra isan’andro ny vidim-piainana eto Madagasikara ka maro ireo very fanahy mbola velona lasa mivarilavo. Eo ny olan’ny tsy fandriampahalemana, tsy fahampian-drano, vidim-piainana midangana isan’andro. Hita ankehitriny ny fanapenam-bava amin’ny endriny samihafa. Isany ny tsy fahafaha-maneho hevitra sy tsy fahafaha-mivezivezy malalaka eto amin’ny tanin’ny repoblika Malagasy. Mijoro izahay noho ireo antony ireo. Miantso antsika tanora rehetra fa tomponandraikitra amin’ny hoavin’ny firenentsika isika, hanohitra ny jadona misy eto amin’ny tany sy firenena Malagasy. Ny fijoroanao anio sy ny fijoroantsika rahampitso ry tanora namana no antoky ny fiainanao rahampitso sy ny hoavin’ny taranaky ny vahoaka Malagasy ka tsy tokony ho lalaovina ny hoavintsika tanora. Mitaky ny amoahana tsy misy fepetra azy 11 mianadahy izay tonga hihaino ny tatitra nataon’ireo solombavambahoaka teny amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo izay efa nomen’ny filoham-pirenena ankehitriny fony izy ben’ny tanana ho kianja fanehoan-kevitra ihany koa, hoy hatrany ireto tanora mpanohitra ireto.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap