airtel

Politique

24-mai-2022

Politique

Tanora TIM Ambohimanarina “Mila tanora tompon’andraikitra vonona hanova rasa isika”

Sample post image

Vita ny fiofanana momba ny "Call Center" dia ampidirina miasa eny anivon'ireny orinasa ireny ireo tanora vita sivana, hoy ny filohan’ny tanoran’ny antoko politika Tiako I Madagasikara na tanora TIM Eny Ambohimanarina,

24-mai-2022

Lalaina Rabezanahary, nanazava mikasika ny fanofanana arak’asa maimaimpoana momba izany izay atolotr’ireo nanomboka ny sabotsy teo omaly. Maro, hoy izy, ireo orinasa miara-miasa ka izay no ahafahana mampiditra ireo tanora miasa avy hatrany. Ireo tanora ety Ambohimanarina ihany aloha no hisitraka izany ary tsy mifidy na avy aiza na avy aiza fa misitraka daholo. Mitohy kosa ny fampianarana maimaimpoana ho an'ny fampianarana informatika sy teny Anglisy izay efa erintaona izay no nanaovana azy. Amin'ny faran’ny volana jona dia hanomboka indray ny “Cours Faradoboka” ho an'ny mpanala fanadinana BACC izay fanaon'ny tanora TIM nandritry ny 4 taona! Mila tanora tompon’andraikitra vonona hanova rasa eo amin'ny sehatra ara-politika. Tsy voatery hoe manana andraikitra na toerana ambony vao afaka hanasoa ny mpiara-belona. 50 isa eo ho eo ireo andiany voalohany amin’io fampiofanana “call center” io, hoy hatrany ny fanazavan’ity filohan’ny tanora TIM Ambohimanarina ity.
J. Mirija
Legende: Lalaina Rabezanahary
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap