airtel

Politique

01-févr-2021

Politique

Tanora TIM Toamasina “Andao hanala izao fomba fitondrana izao”

Sample post image

Mandalo eto Antananarivo ankehitriny ny solontenan’ireo tanoran’ny antoko politika Tiako I Madagasikara,

01-févr-2021

 

 

 

 

Toamasina, tarihin’ny filohany, Tokiniaina Razanadrakoto. Nirary soa ny filohan’ity antoko ity sady filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Marc Ravalomanana, izy ireo ny zoma teo ary nampahafantatra ny fipetraky ny tanora TIM Toamasina manoloana ny toe-draharaham-pirenena kosa ny sabotsy. Mampikaikaika ny olona ny zava-misy ankehitriny ary na tsy te hiditra anaty politika aza izy ireo dia tafiditra ho azy satria miantraika amin’ny aty vilaniny ny zava-misy. Tsy azo ekena intsony ny fitondrana misy satria latsaka an-katerena ny firenena ary raha mijery ny tarehimarika iraisam-pirenena isika dia gisitra tanteraka izao I Madagasikara ary ao anatin’izay fahantrana izay. Ho faty noana ve isika vahoaka sa hihetsika? Tsy manohitra bontolo izahay fa mamakafaka hoe mety tokoa ve izao fitondrana izao? Manomana ny paikady tokony atao rehetra ahafahana manetsika ireo tanora izay tena mahita fa tsy mety intsony ity fitondrana ity. Na ny olona nanohana izao fitondrana izao ao amin’ny renivohitry ny Betsimisaraka azy dia efa miala tsikelikely ary manatona aty amin’ny RMDM sy TIM satria diso fanantenana. Be ny fampanantenana saingy ity fitondrana ity angamba nanangana vato fototra fotsiny no tena ataony. Rehefa hitantsika fa tsy mety izany dia andao isika hitsangana hiaraka hanala izao fomba fitondrana izao, hoy hatrany ny tanora TIM Toamasina.

 J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap