airtel

Politique

08-sept-2022

Politique

Tao anatin’ireo fitondrana nifandimby “Tsy mbola nisy tany mivaralila ohatran’ity”

Sample post image

Nahazo fampitam-baovao ny RMDM fa tsy mifanaraka amin’ny lalana velona eto Madagasikara no nataon’ny zandarimaria tany Ikongo, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa.

08-sept-2022

Tokony hisy ny fampahafantarana in-3 hoe miparitaha ianareo fa hitifitra izahay, hoy izy. Izay vao manaparitaka amin’ny entona mandatsa-dranomaso. Fanampin’izay dia tsy nanaraka ny fenitra ara-drazana koa ry zareo. Misy rafitra mpanjaka ao izay mifehy ireo vahoaka. Tokony naniraka olona ny mpitondra fanjakana tao niantso ny mpanjaka hoe jereo ireto vahoakanareo ireto! Ahoana no handaminantsika an’ireo? Na iza na iza koa entina anaty tranobe dia tsy azo tifirina na kitihana. Haka ireo olona notakiany ho entina any amin’ny tranobe no saika ho ataon’ireo vahoaka. Avy anefa ireo zandary dia mitifitra. Mikararana ny faty any izao. Hopitaly iray koa ny any Ifanadiana. Mba araho ihany ny fomban-drazan’olona ry mpitondra fa izany no mahatonga tranga toy ireny tany Ikongo ireny. Miangavy ny fanjakana izahay ary tsy izahay ihany hoe asio fisaonam-pirenena kanefa dia mbola tsy misy ihany hatramin’izao. Misavoritaka ny lohan’ny mponina any Ikongo. Mba mipetraha ianareo amin’ny toeran’ireo mponina hoe tsy misy jiro, tsy misy hopitaly, dokotera iray no any. Tsy mbola nisy tany nivaralila ohatran’ity tao anatin’ireo fitondrana nifandimby, hoy hatrany ny tenany, ary tsy mbola voafehin’ny fitondram-panjakana mihitsy ny tsy fandriampahalemana eto. Morondava, Ikongo, Alaotra Mangoro na aiza na aiza isan’andro izao dia saika ahenoana olona maty, hoy izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap