airtel

Politique

06-sept-2021

Politique

Tapitra ny hamehana Hangotraka amin’izay ny fifanandrinana politika

Sample post image

Raha tsiahivina, in-tsivy nohavaozina isaky ny tapa-bolana teo nanomboka ny 20 martsa 2020, izay nisy fotoana somary niato.

06-sept-2021

 Saika nanao tari-bato vilam-bava hatrany ny fitondrana tamin’io satria ny mpitondra no lohalaharana tamin’ny fandikana ny fepetra ara-pahasalamana. Toa fotoana ihany koa io nanjakan’ny afera maro tamin’ny fitantanana ny vola sy fananam-panjakana. Nandeha ny “’’nty sy ‘nday” tamin’ny resaka tsenam-panjakana izay tsy voatery nilana antso tolo-bidy noho ny hamehana, ka maro ny ahiahina kolikoly avo lenta raha tsy hilaza afatsy ny “bonbon sucette”, “écran plat”,… Ny fanafoanana ny hamehana dia midika fa fiverenana amin’ny laoniny amin’ny lafiny rehetra: fiainana ara-politika, ara-pitantanana ny raharaham-panjakana, toekarena, sosialy,… Isan’ny fitaovana nataon’ny Fanjakana fiarovan-tena sy nifehezana ny lafiny rehetra io, ka naman’ny foana izany rehetra izany, raha bangoina amin’ny ankampobeny. Tsy midika kosa anefa hoe: malalaka afaka tsy miaro tena amin’ny valanaretina ny rehetra. Manomboka mihamafy ny fanehoan-kevitra ara-politika. Milaza hanao hetsika ny mpanohitra, mampiomana amin’ny hanaovana fidinana an-dalambe,… Midika izany rehetra izany, fa vao mainka miditra amina vanim-potoana mafampana indray ihany koa isika amin’ny toe-draharaha ara-politika. Efa karazan’ny miditra amina kihon-dàlan’ny fifidianana rahateo isika, indrindra fa vao migadona eo ny taona 2022, ka samy efa manomana ny paikadiny, efa manomboka maka fiaingana na ny mpitondra na ny mpanohitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap