airtel

Politique

02-août-2022

Politique

Tatandraza manondrana etsy sy eroa Endriky ny tany tsy misy Fanjakana

Sample post image

Feno ny fepetra hisamborana an'ingahy Marc Tatandraza noho ireo heloka maro sosona nataony tao anatin'ilay horonan-tsary naparitany 2 andro lasa izay. Karohina araka izany izy ka raha manam-baovao mahakasika azy isika

02-août-2022

dia mandefasa hafatra miafina na someso na mampandre ny mpitandro filaminana izay akaiky anao indrindra. Hivoaka etoana ihany ny Filazana fikarohana azy amin'ny fomba ofisialy. Atao tsiambaratelo sy arovana ny mahakasika ny loharanom-baovao”, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny Info Com Seg ny 16 jona 2022. Fandrahonana olona tamin’ny alalan’ny horonan-tsary no heverina fa antony hanenjehana azy tamin’izany. Ireo olona mitory any an-dRajoelina any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no rahonany hovonoina amin’ny alalan’ny fanapahan-doha amin’ny antsy maranitra…. Ampahitako ahy ianao, raha tsy fantatrao izaho, izaho no Remenabila. Tsy misy olona atahorako raha mbola eto ambonin’ny tany, tsy misy mampavozo hay raha mbola Malagasy…. Jereo tsara ity, ho tapaka roa amin’ity ny lohanareo…”. Tsy nisy tohiny intsoy ny raharaha fanenjehana azy avy eo, ary matetika mamoaka horonan-tsary amin’ny tambajotran-tserasera ny tenany. Foana ve ny fikarohana sy ny vesatra hanenjehana an’i Marc Tatandraza? Afaka manao izay saim-patany mandrahona olona mivantana na ankolaka ve saingy tsy misy fepetra raisina? Andro vitsy lasa izay, mipoitra indray, mampiseho sary miendrika fampihorohoroana, mitondra olona manao t-shirt Andry Rajoelina milanja antsibe maranitra na “mesobe” sy mandrahona. Manao fanambarana politika toy ny hoe: “manao antso avo ho an’ny Fitondram-panjakana i Depiote Marc Tatandraza. Fangatahako tamin'i Atoa filoha sy ny Minisitry ny atitany ny mba hanafoanana ny “arrété” izay ahafahan'io RMDM io mojoro sy ny hanamborana an'i Marc Ravalomanana izay ati-doha mikotroka izao savorivorim-bahoaka izao”. Matoa nangina ny resaka fikarohana fa tsy nisy tohiny, dia mazava ho azy fa natsahatra. Matoa afaka manao izay tiany hatao i Marc Tatandraza dia misy olona ambony mamporisika sy miaro azy. Izao tokoa ve ilay Fanjakana tan-dalàna ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap
18-avril-2024

Tongotra mby an-dakana ny fifidianana Solombavambahoaka hotanterahina ny 29 Mey

Card image cap
18-avril-2024

Rava omaly Alarobia 17 Aprily ny DISTIM teo aloha na ny distrika TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
18-avril-2024

Nivoaka ny alin’ny talata ny lisitr’ireo kandida voatazona hifaninana amin’ny fifidianana hatao ny 29 mey.

Card image cap
18-avril-2024

Manana kianja fa tsy azo hilalaovana, manana kaompania fa tsy misy fiaramanidina,

Card image cap