airtel

Politique

09-juin-2021

Politique

Tatitra nanoloana ny depiote Nitanisa olana sy vokatra miiba ny minisitry ny vola

Sample post image

Nambaran’ny Minisitry ny toekarena sy ny vola tamin’ny alalan’ny « visioconférence » nanaovana tatitra tamin’ny Antenimieram-pirenena omaly,

09-juin-2021

 

fa ara-toe-karena amin'ity taona 2021 ity, dia mbola misy fiantraikany goavana amin ny firenentsika ny valanaretina izay mahazo ny eran-tany. Mbola ambany dia ambany ny tinady eo amin'ny tsena eran-tany ary tsy mbola afaka mivelatra ny fandraharahana sy ny famatsiam-bola avy amin'ny sehatra tsy miankina noho ny fisian 'ny fisalasalana maro samihafa. Raha ny eto Madagasikara no resahana, noho ny fiverenan ny valanaretina fanindroany nanomboka tamin'ny volana martsa tamin'ity taona ity dia nofaritana ho +4,3% amin'izao fotoana izao ny fiakaran'ny harikarena faobe raha -5% (miiba) eo ho eo izy tamin'ny taon-dasa. Ezahana ny hitazomana ho 6,2% ny sondrom-bidim-piainana amin'ity taona 2021 ity. Ny fitànana ny volantsika Ariary ho marin-toerana dia nambara ny fitsinjovana ny fanomezana aina indray ny toe-karena eto amintsika na “relance economique”. Raha 9,8% ny tahan'ny famorian-ketra (pression fiscale) tamin 'ny taon-dasa dia 11,4% no tanjona amin ity taona 2021 ity. Ny tsy fitandanjan'ny vola miditra sy ny vola mivoaka amin'ny teti-bolam-panjakana ankapobeny dia -5,5% amin'ity taona 2021 ity. Ny politika ara-bola sy ara-pítantanam-bola amin'ity taona 2021 ity dia natao hifantoka amin'ny fitsinjovana ny fomba mahomby ampíainana indray ny toe-karena eto amintsika kä hiterakä asa sy vola miditra ho an'ny orinasa, ho an'ny mpandraharaha ary ho an'ny tanora amin'ny fampiasam-bola eo amin'ny seha-pihariana marobe amin'ny alalan'ny tetikasa sy ny programan'asam-panjakana. Eo amin'ny fanatsarana ny asam-pitantanam-bola, dia nambara fa vita tanteraka ny fananganana sy ny fampitaovana ny tranoben'ny Hötel des finances ao Sambava. Eo am-pananganana ny Hotels des finances ao Antsiranana, ao Mahajanga, ao Fianarantsoa, ao Taolagnaro ary ao Toliara. Nohatsaraina ny toeram-piasan'ny Direction Générale du Trésor teto Antananarivo-Renivohitra. Fitanisana ny olana sy ny filazana ny zava-bita no betsaka, fa izay tena vokatra miabo amin’ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka tsy hita taratra mba tsy hilazana fa tsy misy.

 

Nambara ihany koa fa nisy ny fidiram-bola ivelany tamin’ny alalan’ireo mpiara-miombon’antoka, izay nanolotra fanomezana indrindra nandritra ny fiatrehana ny valanaretina. Miisa 15 kosa ireo fifanarahana findramam-bola vita tamin’iny taona iny ary efa misitraka izany isika amin’izao fotoana izao. Angaha tsy mampahantra sy tsy mampandroso na amin’ny 2030 aza ny fitrosana amin’ny mpamatsy vola mahazatra ?.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap