airtel

Politique

28-déc-2021

Politique

Tatitra ny fandaniana tamin’ny fifidianana 0% tamin’ny kandida ho loholona no nanao

Sample post image

Tamin’ireo kandida ho filoham-pirenena 2018 miisa 36 dia 23 ihany no nahatonga ny tatitry ny fandaniany teo anivon’ny vaomiera misahana ny fanaraha-maso ny fiainana politika na CCFVP,

28-déc-2021

raha ny tatitra nataon’ireto farany omaly, izany hoe 63,89%. 31 tamin’ireo 814 no nahatonga ny kaontiny ho an’ireo kandida solombavambahoaka. Tsy nisy nahatonga izany, izany hoe 0%, tamin’ireo lisitrana kandida ho loholon’I Madagasikara miisa 14. Lisitra 1 monja tamin’ireo lisitrana kandida ho ben’ny tanana miisa 6303, izany hoe 0,02%,no nahatonga izany. Ho an’ny kandida ho mpanolontsaina dia 0,04%, izany hoe lisitra miisa 2 tamin’ny 4943. Aogositra 2018 izahay no nanomboka nivory, hoy ny CCFVP, ary ny tsikaritra dia tsy misy ny sazin’ireo tsy nametraka tatitra. Miisa 3896, izany hoe 61,81%, ireo kandida ho ben’ny tanana manana mpitam-bola kanefa dia 1 no nanao tatitra. Tsy tao anatin’ny lisitra kosa anefa ireo fanampiana mivantana avy amin’ireo mpiandany ny kandida toy ny fiara nampindramin’izy ireny, ohatra. Isan’ny nanembatsembana ny asa koa, hoy ny CCFVP, ny valanaretina COVID 19. Isan’ny tolokevitra voaray tao anatin’ny 3 taona ny hoe ilaina ny fanajana lalana velona, izany hoe, ny fanendrena mpitam-bola, ny fanokafana kaonty any amin’ny banky, ny fananana boky mirakitra ny vola miditra sy mivoaka, ny fianianan’ireo kandida fa hanaja izany rehetra izany sy hiady amin’ny kolikoly. Ho an’ny tomponandraiki-panjakana kosa dia tokony faritana ny azo atao sy tsy azo atao anaty fampihelezankevitra. Maro ireo kandida nitaraina fa voasakatsakana. Mila amoraina ny fanokafana kaontim-pifidianana satria teren’ny lalana hanao izany ny kandida. Isan’ny tokony azo ampiharana izany ny banky BNI izay ananan’ny fanjakana 31%, hoy hatrany ny sosokevitra. Toy ny tsy misy, hoy ny CCFVP, ny rijan-teny rehefa tsy misy ny sazy. Olana eto ny demokrasia sy ny tsy fahatomombanana na “irrégularité”. 0 hatramin’ny 4%n’ireo nilatsaka depiote sy loholona no nitatitra nefa miankina aminy ny fiovan’ny lalana eto. Manatona ny taom-pifidianana 2023. Izao no fotoana hanavaozana ny zava-drehetra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap