hoy ny fiarahamonim-pirenena KMF-CNOE, tetsy amin’ny foibeny etsy Antanimena omaly raha namehy ny tatitrany sy ny famakafakany momba izay zotram-pifidianana izay. Nambaran’izy ireo fa midika fahalalahana ny naharaisan’ny HCC fitoriana maherin’ny 1000 isa. Olana kosa ny famoahana ireo didim-panjakana miisa 5 tamina fotoana samihafa izay tsy nampitovy ny herijikan’ireo kandida. Sambany tamin’ny fifidianana no nisy izany. Nanjaka ny fampielezana entana sy vola izay tsy mifototra amin’ny asan’ny mpanao lalàna. Nibaribary ny fampandaniana kandida nataon’ny mpiasam-panjakana sy ny olom-boafidy ary ny sefo fokontany, nivantana na an-kolaka. Nirahina ve sa nanira-tena ireny mpiasam-panjakana ireny? Mampitanila ny tena safidim-bahoaka marina izany. Tsy ampy ny toerana fametahana afisy ka indraindray mitarika tsy fanajàna lalàna velona. Misy sary aza eny amin’ny fasana no hametrahan’ireo mpifaninana azy. Fohy ny fotoana nampiofanana ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana ary tsy tomombana. Fiofanana zara fa adin’ny 1. Ny mpampiofana kelileky feo nefa tsy nisy mpiotifeo. Nisy ny fampiofanana manohitra ny efa fampiofanan’ny CENI. Taraiky ny antotan-taratasim-pifidianana na fitaovana sasany ka nitarika fahataran’ny fandatsaham-bato izany. Iva loatra ilay trano fisainana na «Isoloir» no sady indraindray ratsy toerana ka maha matin-kena-maso ireo mpifidy. Misy ireo mpanara-maso maro noverezin-jo, tsy afaka nifidy, nefa tao anatin’ny biraom-pifidianana nisoratany sy namitany iraka ihany. Maro ireo mpanara-maso tsy afa-nifidy. Misy amin’ireo manana kara-pifidianana sy nifidy filoham-pirenena no tsy afaka nifidy tamin’ity fifidianana solombavambahoaka ity. Nampametra-panontaniana ny habetsak’ireo mpifidy tao anaty lisitra tovana na «rajout». Be loatra! Niverina indray ny resaka hala-bato, bileta voamarika mialoha, ny fanapahan-jiro izay porofon’ny fihemoran’ny kalitaon’ny rafim-pifidianana. Tany amin’ny «Coupole» na trano boribory ny tafony no nahenoana izany fahatapahan-jiro izany farany. Mbola hita koa ny tsy fanaterana mivantana ireo taratasim-pifidianana amin’ny SRNV. Tranga nanamarika koa ny hoe fandoroana biraom-pifidianana. Sarotra ny fahazoam-baovao. Tsy voahaja ny fanaraha-maso eny anivon’ny SRNV. Efa 100% no vokatra navoakan’ny SRNV. Ny CENI mbola mamoaka vokatra 10 na 20%. Miteraka ahiahin’ny olompirenena ilay izy. Nanova fomba fiasa tamin’ny famoahana fironam-bokatra ny CENI. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena navoaka ny vokatra isaky ny biraom-pifidianana nefa tamin’ity, efa tamin’ny famoahana vokatra vonjimaika vao navoaka izany. Nibaribary ny fitsabahan’ny minisiteran’ny atitany, mivantana na an-kolaka amin’ny alalan’ireo ratsa-mangaikany mandritry ny zotram-pifidianana, toy ny sefo fokontany, sefo distrika, ny prefe, ny delegem-panjakana izay tena hita ho niasa mafy, hoy hatrany ny KMF-CNOE, izay manamarika ny faha 35 taonany amin’ity taona 2024 ity.
J. Mirija
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia