airtel

Politique

19-janv-2021

Politique

Tatitry ny Loholona Tsy ara-dalàna ny nidiran’ireo fitaovam-piadiana…

Sample post image

Namoaka ny tatitra momba ny fanadihadiany ireo raharaha nafana teto amin’ny

19-janv-2021

 

 

firenena ireo loholona ankehitriny, izay handao ny toerany tsy ho ela. Ny 19 janoary 2020 dia fitaovam-piadiana sy fiara mifono vy no nentina nanome voninahitra ny lanonam-pianianana teny Mahamasina. Tamin’izany no nanaovan’ny Filoha fanambarana miezinezina fa novatsiany fitaovana manara-penitra ny foloalindahy. Voamarina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana, fa nisy tokoa ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika, efa tafiditra teto talohan’ny fihanianan’ny Filoha, hoy ireo loholona. Tsy afaka nanaporofo ny fisiana taratasy ara-dalàna momba ny fampidirana sy fividianana azy. Nilaza ho gaga sy talanjona ireo manamboninahitra rehetra, hoy ny tatitra. Tamin’ny fomba ahoana ny nahafahany namatsy fitaovam-piadiana? Midika ve izany fa mbola tao anaty fampielezan-kevitra ny valiny? Raha tsy iny ny vokatra dia natolotra an’iza ireo fitaovam-piadiana? Hoy ireo loholona. Takiana ny fanokafan’ny fitsarana satria manokatra varavarana amin’ny zavatra mamoafady, hoy ny tatitra. “Nanamarina ny minisitry ny fiarovana, fa tamin’ny fomba tsy ara-dalàna no nampidirana an’ireo. Ady an-trano no aterak’izany, ary ny Al-Qaida no mpanao izany. Tsy basy ihany, fa nisy angidim-by, fiara mifono vy,…” hoy ny Loholona Olivier Rakotovazaha. Raha raisina amin’io fanambarana io, dia mandiso ny nambaran’ny Jeneraly Kasimo Talen’ny fampitaovana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny 19 janoary izany ny loholona. Nilaza mantsy io manamboninahitra io, fa novidiana 15 miliara ariary tany Chine ny fitaovam-piadiana, ary voarakitra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2018.

 

Mifandraika amin’io resaka fampidirana fitaovam-piadiana io ny fangalaram-bato tamin’ny fomba manara-penitra, hoy ireo loholona ireo. Nahatratra 1 116 512 ny karapanondro niverin-droa. Raha ny vokatry ny fitsirihana nataon’ny CENI dia manome 3% ny anarana miverin-droa. 1 200 000 ny anarana miverina ao anatin’ny mpifidy 10 000 000, mandiso tanteraka ny vokatra, hoy izy ireo. Tsy misy fitsirihana sy porofo fa tsy manova ny voka-pifidianana io, hoy hatrany ireto lohona ireto. Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap